Dans la mme rubrique

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

31/03/2020

Efa nisy ihany ny fitarainan’ireo fikambanan’ny Orinasa Afaka haba mahakasika ny fepetra misy ankehitriny dia ny fahamehana ara-pahasalamana.

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa

Hamaky ny tohiny...

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

26/03/2020

Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

26/03/2020

Saika ny krizy entin’ny aretina coronavirus avokoa ny firenena manerana ziao tontolo izao eny fan a ireo tsy ahitana ny valan’aretina aza nohon’ny fijanonan’ny fifanakalozana ara-barotra.

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

Hamaky ny tohiny...

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

25/03/2020

Nanao fanambarana ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa mitohy hatrany ny asa aman’andraikiny na dia eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Afaka mbola mamatsy vola hatrany izy ireo ho fampandrosoana ara-toekarena ary nanamafy ny tsy maintsy hiara-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny banky.

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

25/03/2020

Manomboka miha ritra ny fahana finday (crédit) eny anivon` ireo tsena mpaninjara vokatry ny fisian` ny aretina COVID-19 eto amintsika. Maro mpanjifa no nanao tahiry fahana nandritra ny andro maro, hoy ny fanazavana nataon` I Jacky, mpivarotra “épicerie” etsy Ampitatafika.

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

Hamaky ny tohiny...

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

24/03/2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

24/03/2020

Toa hita tsy taitra ihany ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny aretina malaza sy mandringana eran-tany coronavirus. Vao maraina dia maro be no nirodorodo mbola nivoaka hitady vola na dia tsy nisy aza ireo taxibe nifamezivezena.

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Vola lany amin’ny fanisam-bahoaka Mahatratra hatrany amin’ny 20.000.000 dolara

05/02/2020

Ahafantarana ny isan’ny olona erak’i Madagasikara na faritany na distrika na faritra hatrany amin’ny fokontany ny fanisam-bahoaka, hoy ny fanazavan’ny mpahay antontanisa, Tarzan Ndremitsara.

 

Hivoaka amin’ity volana febroary ity moa raha tsy misy ny fiovana ny antontanisa marina mikasika ny isan’ny mponina eto Madagasikara. Mila fantatra ao anatin’ny firenena iray avokoa hatramin’ny isan’ny zaza teraka, ny isan’ny ankizy tokony hiditra an-tsekoly, ny tokony ho eny amin’ny anjerimanontolo sy ny hafa rehetra. Na ny fanatanterahana ireo praograman’asan’ny fitondram-panjakana aza, hoy ny tenany, dia miankina amin’ny fananana antontanisa voamarina. Ny avy amin’ireo minisitera miampy ny an’ny mpiantsehatra hafa rehetra dia ampitahaina amin’ny sampandraharahan’ny fanisam-bahoaka, ohatra dia hahafahana manara-maso ny fomba fiasan’ny mpiasam-panjakana. Rehefa fantatra ny fivoaran’ny isan’ny mponina isan-taona dia miankina amin’izay koa no hamantarana ny fivoaran’ny polisy ilaina na mpitsabo ilaina na zandary, ny hopitaly, ny vava homana sy ny hafa. Vola be no lany amin’io, noho izany, satria ny fanomanana ny atao hoe « Cartographie sansitaire » fotsiny izao dia 3.500.000 dolara no ilaina aminy. Ny antony dia satria io tsy maintsy tsinjaraina faran’ny kely ahafahan’ireo mpanao fanadihadiana manao ny fanisana ao anatin’ny fotoana ilana ilay antontanisa. Mihoatra ny 20.000.000 dolara, izay vatsian’ny banky iraisampirenena, ny fandaniana vao tontosa ny fanisana ho an’I Madagasikara manokana, hoy hatrany ny fanazavany. Volam-bahoaka ilay izy saingy zava-dehibe ny vokatra azo avy aminy satria amin’ny alalan’izay avokoa no ahafahana manatanteraka fampandrosoana rehetra na eo amin’ny resaka fanaraha-maso na eo amin’ny resaka fahafaha-mihetsika rehetra. Rehefa tsy tomombana ny antontanisa dia na ny fiaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa mpiara-miombon’antoka aza lasa manahirana, hoy izy, ary antony maha voatery hanaovana ireny fanadihadiana be dia be ireny. Isaky ny 10 taona no tsara hanaovana fanisana. Rehefa fantatra io dia misy fifanarahana tokony hifanaovan’ilay firenena amin’ny mpamatsy vola. Matetika dia an’ny mpamatsy ny 80%-n’ny fandraisana anjara ary 20% an’ilay firenena fa ny tena tsara dia toy ny an’ny ao Senegal izay mifamadika amin’izay, hoy hatrany ity mpahay antontanisa ity.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana