Dans la mme rubrique

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

31/03/2020

www.ketrika. com fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe « ketrika » dia tsy mena mitaha amin’ny hafa tokoa, raha ny eo amin’ny sehatry ny varotra an tserasera na ny « vente en ligne » no resahana.

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

31/03/2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

31/03/2020

Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fiara haiditra “Fourrière 200 000 ariary isan’andro ny lamandy tsy maintsy aloa

05/02/2020

Teboka vitsivitsy no niteraka adihevitra nandritra ny fivorian`ny filankevitra monisipaly omaly ka anisan`izany ny sandan`ny fanagiazana fiara izay 200 000 ariary isan’andro.

 

 

 

Ny vaomieran`ny fitaterana dia nanambara hatrany fa tsy mifanaraka amin`ny zava-misy eto amintsika io sazy amin`ny resaka fanasaziana ireo fiara miantsona tsy ara-dalàna io. Ekena, hoy izy ireo fa nametraka ny CUA amin`ny  fampitomboana ny fiambenana ka natao 150 000 ariary isan’andro raha miditra fanibohana (fourrière). Ny fitaterana an`ilay fiara kosa dia 50 000 ariary, tsy vitan’izay fa mbola mandoa 150 000 ariary isan’andro ho saran’ny fiambenana ilay fiara. Raha fiara madinika ka mahatratra 10 andro ny nanagiazana azy , dia 1 860 000 ariary eo ho eo no vola tsy maintsy aloha rehefa atambatra ny karazan-tsazy isan-karazany. Izany no anton`ny fanamarihana nataon`ireo mpanolotsaina. Andrasana, araka izany, ny fampiharana izay sandan`ny fiara haiditra toerana mihiboka izany. Etsy an-kilany, manahy ireo mpanolotsain`ny tanàna fa sao dia mihoapampana io ka mety hampitombo ny kolikoly izay efa mamotika ny firenena.Na ny mpanolotsaina avy amin’ny IRD aza moa dia nisy tena sosotra tamin’ity resaka “fourrière” ity mihitsy.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana