Dans la mme rubrique

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

31/03/2020

www.ketrika. com fantatry ny besinimaro amin’ny anarana hoe « ketrika » dia tsy mena mitaha amin’ny hafa tokoa, raha ny eo amin’ny sehatry ny varotra an tserasera na ny « vente en ligne » no resahana.

Ketrika.com Efa manao « livraison » manakaiky hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

31/03/2020

Nilahatra nitety tanàna ary avy eo nitokona nanoloana ny lapan'ny tanànan'i Toamasina avokoa omaly maraina ireo mpitondra tuk tuk any an-toerana.

Fitokonana sy fitakiana Mafana ny toe-draharaha any amin’ny faritany

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

31/03/2020

Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.

Haino aman-jery Manabe fa tsy mampiala voly fotsiny

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

30/03/2020

Azo tsaboina tsara ny Coronavirus ka tsy tokony hampatahotra, fa ny fiparitahany be no manahirana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo.

Andry Rajoelina « Salama tsara aho… »

Hamaky ny tohiny...

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

30/03/2020

Nanomboka ny sabotsy teo ny fizarana ny fanampiana ho an’ireo mpamily fiara karetsaka sy taxi-be ary ireo mpanampy azy eto amintsika tafiditra ao anatin’ilay plan d’urgence sociale,

Plan d’urgence sociale Mpamily sy resevera 1000 nahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

30/03/2020

Noho ny fepetra noraisina amin’ny tsy fahafaha-mivoaka, dia tsy nisy ny famoriam-bahoaka amin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa.

Fahatsiarovana ny 29 martsa Hetsika tamim-pahanginana no natao

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

30/03/2020

Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino

Haino aman-jerin’i Onitiana Realy Nahazo taratasy fampitandremana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanodinkodinam-bola 3 miliara ariary Voapaingotra ny “Trésorier Municipal” an’ny CUA

05/02/2020

Natolotra ny PAC na ny « Pôle Anti-Corruption » omaly ny raharaha fanodinkodinam-bola teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sarona nandritra ny fitsirihana nataon’ny Mpitsirika ankapobeny ara-panjakana (IGE)

 

 ny fahabangam-bola mihoapampana nefa tsy voazava tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, voalaza fa 150 tapitrisa Ariary no tsikaritr’ireo mpitsirika teo am-piandohana, herinandro lasa izay. Niitatra hatrany amin’ny 3 miliara Ariary ny vola banga, voahodinkodina teo anelanelan’ny taona 2019-2020 rehefa nohalalinina ny fitsirihana. Voapaingotra ny «Trésorier Municipal», izay raha ny lojika dia tsy toerana politika fa olona tendren’ny fanjakana tahaka ny delege. Araka ny loharanom-baovao dia niaiky io fanodinkodinana io ity farany. Efa niezaka nanentsina ny banga ihany izy saingy tsy feno ara-potoana, talohan’ny nahatongavan’ireo Mpitsirika ankapobeny ara-panjakana, raha ny loharanom-baovao hatrany. Raha nandray ny fahefana ny mpitantana ny Kaominina teo aloha notarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana tamin’ny taona 2015, dia nilaza fa hatrany amin’ny 44 miliara ariary ny trosa sy fahabangana navelan’ny teo alohany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana