Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andrefambohitra Ampitatafika Ny mpitaiza azy ihany no namono an'i Harena

04/02/2020

Ny alarobia 29 janoary lasa teo, nindaosin'ny fahafatesana i Harena, zazalahy kely vao dimy volana monja, tao Andrefambohitra Ampitatafika.

 

 

Noho ny asany dia nanakarama mpitaiza ny reniny, izay havany ihany dia ny neninfarany sy tovovavy 18 taona. Miasa eo amin'ny manodidina eo ihany ny renin’ilay zaza ka aterina eny amin'ny toeram-piasany rehefa hinono amin'ny 9 ora. Tamin'io anefa, tamin'ny 12 ora vao nentin' ireto mpitaiza ilay zaza ary efa tsy miaina intsony. Nentina avy hatrany teny amin’ny Ostie Anosibe. Ny ampitso, niroso tamin'ny fandevenana tany Tritriva Antsirabe ny fianakaviana. Ny zoma, dia niroso tamin'ny fizarana ny ambin’akanjon'ilay zaza ny reniny ho an'ny manodidina. Nisy akanjo vao novidiana ny sabotsy 25 janoary nefa tsy hita. Nisy fotoana niara-nirohotra nioty tsaramaso tany an-tsaha ny fianakaviana ka nosavaina entan'ilay tovovavy. Hita tao ilay akanjo vaovao sy ny patalohan'i maman'i Harena telo. Tonga ireto fianakaviana avy any an-tsaha, dia nitantara ny zava-misy tamin'ny anadahiny ny renin'i Harena. Nantsoina i H. ka notsatohina hoe " niantso ahy ny polisy fa inona izany nataon-droky izany ? Nangalatra ?" Nanda mafy i H. ka nasehon'ilay dadatoan'i Harena ireo entana nangalarin'ilay tovovavy. Tsy vitan'izay fa tsy taitra akory izy nilaza fa " nolalaoviko i Harena dia nahohoko ary nosemporiko tamin'ny ondana ka naveriko nitsilany". Ankona ny rehetra ka nisy nahakasi-tanana. Nambarany fa vokatry ny fialonana. Nampiany ihany koa fa misy hery hafa nanosika azy hamono io zaza io. Efa eo am-pelatanan' ny zandary aty ny famotorana.

 Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana