Dans la męme rubrique

Vaka ihany ny saina

09/04/2020

Mivahavaha ny fiheritreretana manoloana ny zava-mitranga rehetra.

Vaka ihany ny saina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Ataovy fifaninanana masina

04/02/2020

Manomboka mazava ny toe-draharaha mahakasika ny sakantsakana na filana vaniny tany Alaotra.

 

Samy nanana ny nolazainy ireo voakasika. Ny fahitana azy, toa lasa miendrika horonantsary misy mpandray anjara fototra na “acteurs principals”. Rehefa ny vadin’ny deba no manao zavatra tiany hatao, dia malalaka tsy misy resabe na tsy mifanaraka amin’ny lamina aza.  Dia iny ihany koa ny an-kilany fa mba nanao ny azy, kinanjo tratry ny don-tandroka. Raikitra ny fifanasana vangy avy eo. Toa nazava ihany anefa ny resaka avy eo : tsy tokony ho nodinganina ny filoha fa izy aloha no manao. Fa maninona raha samy mitondra ny fanampiany dia samy vita ? Vonjy aina io. Inona no olana sy atahoran’ny an-daniny raha mitondra ny anjara birikiny ny hafa ? Toa zavatra tsy dia misy dikany loatra no hifampilana kisa lava eto. Famonjena sy fanasoavana ny Malagasy no atao saingy lasa mivadika ho fifandrafiana. Tsy hifaninanana io satria fitia tsy mba hetra sy vokatry ny fo hoenti-mitsinjo ny mpiray tanindrazana. Tsy resaka varotra ka hoe hifarombaka ny mpividy na “clients” fa malalaka i Madagasikara, ary tsy faritra na tanàna iray no mila vonjy fa ny firenena manontolo. Maninona no tsy atao fifaninanana masina ? Samy manao izay ataony any, dia tsy mifampila kisa. Enga anie mba ho lasan’ireny ny ratsy rehetra, ka mba hahay hiaina ao anatin’ny tsy fitovian-kevitra ny rehetra. Mba mila mifampihaino ihany satria tanindrazana iraisana ity. Samy te hanasoa ny firenena, fa ny hevitra sy ny foto-pisainana hitondrana azy no mety tsy hitovy. Rahoviana vao hisinda sy ho levona eto Madagasikara ny hambom-po diso toerana ka mahatonga lonilony sy fifampiandrasana an-kendritohana lava eto ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana