Dans la mme rubrique

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

04/04/2020

Nampanantsoin’ny Sampana miandraikitra ny “Cybercriminalité” i Arphine Helisoa (Arp Helisoa) mpanao gazetin’ny Valosoa omaly,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

04/04/2020

Tsy voafehin’ny fanjakana ny vahoaka, tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena, goragora tanteraka toa manao izay saim-patany,…

Fanjakana tsy mahafehy vahoaka Mahasorena ireo manara-dàlana

Hamaky ny tohiny...

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

03/04/2020

Mandalo fotoan-tsarotra i Madagasikara. Sahirana amin` ny ateraky ny fepetra tsy maintsy hajaina ho fisorohana sy ho fisakanana ny tsy hiparitahan` ny valan`aretina “coronavirus”.

QMM Tolagnaro Nanolotra fitaovana ny CCO faritra Anosy

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

03/04/2020

Maro loatra ny tsy fanarahan-dalàna amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amintsika izao. “Maninona ny olona no tsy manaraka ny

Fanomezana toromarika Mila ireo olobe to-teny

Hamaky ny tohiny...

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

03/04/2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

02/04/2020

Tsy mety ilay mampiasa ity fanomezana ity ho an’ny fomba amam-panao politika tsy madio. Mila manaraka tsara ny fepetra napetraky ny fanjakana,

Kaominina Antananarivo Vaky tanteraka ny adin’i Naina A sy Clémence R

Hamaky ny tohiny...

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

02/04/2020

Sokajin’olona miisa 14 eo no nambaran’ny fanjakana fa hotolorana tohana ara-tsosialy manokana, ka isan’izany ny mpamily sy resevera ho an’ny taksibe,

Fahasahiranana sy asa tsy misy Mandrahona hitokona ny mpitatitra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanenjehana an-dRaoul Arizaka Rabekoto Hiitatra amina minisitera sy olona maro…

04/02/2020

Nandraisana fepetra tsy mahazo mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ny filohan’ny Federasiona Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF) Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.

 

 

 

Izay no voalaza fa antony tsy nandehanany nanatrika ny antsapaka momba ny fizarana isam-bondrona amin’ny fifanintsanana aty Afrika hiakarana amin’ny “Mondial Qautar 2022” natao tany Le Caire renivohitr’i Egypta ny 21 janoary teo. Tsy afaka nankany Rabat Maroc ihany koa ny 27 janoary raha tokony hanatrika ny fivoriambe eo anivon’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra. Voalaza fa misy dia saika haleha tany Frantsa, saingy tsy afa-niala teto. Resaka mombana volabe nivoaka tao amin'ny CNaPS fony izy Tale jeneraly no hanaovana fanadihadiana ka namoahana ilay IST aloha, sao mantsy sanatria mivoaka any ivelany dia manao sambo milentika, hoy ny loharanom-baovao iray. Efa fomba fiasa mahazatra io, ary maro ny olona nitana andraikitra ambony no tratran'io teto amin’ny firenena. Raha io famoaham-bola io marina no olana dia tsy ny Tale jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto irery fa tokony hanaovana fanadihadiana ihany koa ny minisiteran'ny vola, ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy izay mpiahy ny CNaPS. Raha ny tokony ho izy, dia atao fanadihadiana ihany koa ny filankevi-pitantanan'ny CNaPS izay tokony hahalala ny zava-drehetra, ary tsy olona iray no mandrafitra izany fa maro, ary miara-manapa-kevitra. Miandry ny ho tohiny ny rehetra satria vola an-jatony miliara ariary no kirakirain'ny CNaPS. Ny filoham-pirenena aza efa nilaza fa ao no haka 300 miliara ariary hanaovana ny tetikasa Tanamasoandro. Ny volana desambra 2018, raha tsiahivina fony Atoa Arizaka Rabekoto Raoul mbola Tale jeneralin’ny CNaPS, dia nisy ny taratasy avy maneho fa “Mendrika amin’ny fahaiza-mitantana” ny CNaPS, izay nomen’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy na ny AISS.  Telo volana taoriana, nesorina tamin’ny toerany izy ny 20 martsa 2019, ary ny 20 novambra 2020, izany hoe 10 volana taty aoriana vao voatendry ny ankehitriny Atoa Mamy Rakotondraibe.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana