Dans la męme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fanafarana solika Ny orinasa TOTSA no nahafeno ny fepetra

03/02/2020

Ny orinasa Total Oil Trading SA na ny TOTSA irery manomboka ny sabotsy lasa teo no manafatra ny solika avy any ivelany eto Madagasikara.

 

 

Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny volana desambra 2019 lasa teo ny nanapahana fa orinasa iray io ihany no hanafatra ny solika. Io orinasa io araka izany no nahafeno ny fepetra tamin’ny antso tolo-bidy natao ka izy irery ihany manomboka izao  no mividy sy hamatsy ny solika eto Madagasikara. Misy ny tombony amin’ny fanafaran’ny orinasa iray monja ny solika rehetra eto Madagasikara araka ny fanazavan’ny Mpahay toekarena eo anivon’ny CREM, Rakotobe Vololonirina. Raha eo amin’ny lafiny sarany sy ny fifaninanana dia tsy hisy fiovana loatra izany ary mety hitovy daholo ihany, hoy izy ny vidin-tsolika. Na izany aza dia mety hisy kosa ny fidinam-bidy kely satria orinasa iray ihany no hanafatra ny solika. Raha tamin’ny taloha mantsy dia orinasa 4 samy nanao fanafarana avokoa ary kely ny entana hafaran’ireo 4 ireo.  Amin’izao fotoana izao dia orinasa iray ary betsaka ny fanafarana hatao ka mety hisy fidinana kely ny fakana izany. Tombantombana ihany izany, hoy izy fa ny fanavaozana ireo fotodrafitrasan’ny solika izay efa tena ratsy no mety hiteraka fihenam-bidy.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana