Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsena sy voka-pifidianana Misavoritaka tanteraka ny mponina ao Moramanga

31/01/2020

Ao ny mitokona, ao ny manorina tsena hazo amin’ilay tsena manara-penitra, ao ny manangana tsena amoron-dalana sy anaty arabe etsy sy eroa.

 

 

 

Io no fampitam-baovaon’ny namana mpanao gazety iray avy any an-toerana. Voalaza mantsy fa noho ny kolikoly dia ireo efa mpivarotra tao an-tsena indray no tsy nahazo trano rehefa vitan’ny orinasa Ambatovy ny tsena. Voalaza fa nanjaka ny risoriso sy ny sisi-bola izay heverina nataon’ireo mahitahita tamin’ny mpiandraikitra hatrizay ka nandrombaka toerana maro. Misy mpivarotra iray manana tsena marobe tokoa. Misy ireo olom-baovao tsy nanana tsena mihitsy voateny ho tafiditra anaty lisitra ihany koa.

Marihina moa fa efa noesorina tao an-kianja ny mpivarotra izay nafindra tao amin’io fanaovam-baolina tamin’ny fanmboarana tsena. Ary izao noesorina tao indray fa hamboarina ho toeram-pilalaovana manara-penitra ny kianja, kanefa ny tsena izay efa notokanana tamin’ny fitondrana teo aloha tsy misokatra hatramin’izao. Eny amin’ny sisin’arabe manamorona ny lalam-pirenena faharoa no manangana ny tsenany ireo mpivarotra izay mitady ny hohaniny isan’andro.

Ny lalana mihazo an’Anosibe an’Ala rahateo efa lasa tsena tanteraka ka tsy misy fiara afaka mifamezivezy intsony. Manjaka tanteraka ny gaboraraka ao Moramanga. Manampy trotraka izany koa ny olan’ny fifidianana any an-toerana. Samy migrevy amin’izay toeriny koa ireo mponina na mahakasika ny tsena na ny valim-pifidianana izay nofoanana. Potika tanteraka ny endrik’ity renivohitry ny Bezanozano ity sy ny fiarahamonina ao aminy ka miandrandra ny fitondrana izay mijoro ny mponina handamina ny fanjakan’i Baroa any an-toerana izay mahazo vahana.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana