Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ambohidratrimo sy Talatamaty Mirongatra ny hala-botry

31/01/2020

Mirongatra ny hala-botry eny an-tsaha amin’ny faritra Talatamaty sy Ambohidratrimo, indrindra ny « légume ».

Voalazan’ny tantsaha eny an-toerana izay tojo ny mpanao gazetinay fa nisy fiantraikany tamin’ny fambolena teny an-tsaha ny rotsak’orana sy ny tondra-drano teo aloha teo ka nampihena ny tolotra teny an-tsena. Tsy nifandanja tokoa mantsy ny tolotra sy ny tinady ka nidangana be ny famarotana ireo karazana fangaron-daoka na amin’ireo tsenan’ny tantsaha na ny eny ambony latabatra na any amin’ny toeran-kafa. Nanararaotra izany ireo tontakely ka manao latsak’alina na tsy matoy aza ny vokatra. 

Voalaza moa fa sarotra ny hiandry fambolena eny an-tsaha amin’ny alina. Misy amin’ireo efa notetevana loko kely ihany, tahaka ny voankazo saingy tsy hita eny amin’ny tsena eny an-toerana fa any lavitra mihitsy no ivarotan’ireo mpangalatra ny vokatra, raha ny filazan’ny tantsaha iray. Nilaza mantsy  io mpamboly io fa manara-maso ny entany very eny amin’ireo tsena eny amin’ny manodidina izy. Midika izany fa avy eny an-toerana ihany ireo mpangalatra ka efa mahafantatra hatramin’ny tsiambaratelon’ny loko izay atentina amin’ireo vokatra.

HN

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana