Dans la męme rubrique

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

03/04/2020

Tsy manana fiara fitaterana ny ankamaroan’ireo orinasa afaka haba eto amintsika. Mandeha taxi-be avokoa ny mpiasa ao aminy izay tena nahatsiaro

ORINASA AFAKA HABA Miha vitsy ireo mpiasa mbola miasa

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Sarety no itondrana marary

02/04/2020

Tsy misy ny Fiarakaretsaka na Taxi. Tsy misy koa ny Taxibe. Etsy an-kilany koa anefa dia lafo ho an’ireo sarambabem-bahoaka ny hofan’irony fiara mpitondra

Antananarivo Sarety no itondrana marary

Hamaky ny tohiny...

Nilatsaka avy eny ambony kamion’ny Samva Ramatoa maty notetezin’ny kodiarana

02/04/2020

Saika handeha hiantsena teny Mahazo ny ramatoa iray monina eny Ambohiomangakely sy ny zanany vavy no sendra ny loza mahatsiravina omaly tokony ho tamin’ny 6 ora maraina.

Nilatsaka avy eny ambony kamion’ny Samva Ramatoa maty notetezin’ny kodiarana

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo Mpilatsaka an-tsitrapo 500 hikarama 10 000 isan’andro

02/04/2020

Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 500 eo no manomana ireo « Vatsy Tsinjo » fanampiana omen’ny fitondram-panjakana ho an’ireo fianakaviana marefo sy sahirana mandritra izao fihibohana izao.

Fitsinjarana ny Vatsy Tsinjo Mpilatsaka an-tsitrapo 500 hikarama 10 000 isan’andro

Hamaky ny tohiny...

JIRAMA Maharay fitarainana 850 isa isan’andro

02/04/2020

Efa miasa tanteraka ilay laharana maitso 3547 hifandraisan’ny orinasa JIRAMA amin’ny mpanjifa. Ao amin’ny ivon-toerana antsoina hoe : “Centre de relation client” no raisina ny antso rehetra avy any amin’ny mpanjifa.

JIRAMA Maharay fitarainana 850 isa isan’andro

Hamaky ny tohiny...

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

01/04/2020

Taratry ny fandrosoan’ny firenena ny filàna ara angovo misy ao aminy.

Fanjifana herinaratra Mihena noho ny tsy fihodinanan’ny Indostria

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

01/04/2020

Mbola niverina indray ny fitangoronan’olombelona maro be tetsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely omaly,

Fizarana fanampiana Tahaka ny kermesy ny teny Analakely

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Mariazin'ny samy ngeza Misy minisitra hanambady diplaomaty…

31/01/2020

Amin’ny 14 febroary izao no hatao ny mariazina minisitra iray sy diplaomaty vazaha iray, raha ny tsiliam-baovao.

 

Minisitra ao anaty governemanta amin'izao fotoana, azo ambara fa manana ny toerany amin’ny politika na dia tsy olo-malaza be aza.  Efa elaela ihany satria taorian’ny 2009 izy no tazana teo amin'ny sehatra politika. Ilay diplaomaty indray dia avy tompon'andraikitra ambony tamina masoivohona firenen-dehibe iray eto Madagasikara. Amin'ny maha diplaomaty azy dia matetika miresaka sy mifandray amina sokajin'olona maro izy na mpitondra io na mpanohitra na olona avy amin’ny sehatra tsy miankina na vondron'olona. Tamin'ireny fihaonana mety niverimberina ireny no nifankahitany tamin'ity mpanao politika, tompon'andraikitra ambony ity. Araka ny tsiliantsofina re koa dia nifandray tsara ny tadin-dokanga ary izao samy tapa-kevitra hiroso amin'ny lalindalina kokoa izao. Tsy navoaka aloha ny anarana mba ho fanajana azy ireo fa tsy maintsy ho fantatra eny ihany moa izy io, indrindra fa rehefa manomboka miparitaka ny taratasy fanasana. Mariky ny filaminana ara-piainana (stabilité) ho an’ny tompon’andraikitra ambony ara-panjakana ny fananana tokantrano ara-dalàna. Mety ho fepetra hahafahana mametraka azy amin’ny toerany ihany koa aza. Ny olona tendrena ho tompon’andraikitra ambony na mirotsaka amina fifidianana matetika, dia anisan’ny herijika ho azy io satria mety hadika ho tsy fahamatorana sy tsy fahazakana andraikitra ny tsy fananana vady ara-dalàna. Tsaroana, ohatra, tamin’ny taona 2013 fa fotoana fohy nialoha ny fifidianana no nisora-panambadiana ny kandida iray. Heverina fa hiavaka sy hanan-tantara ity fanambadiana olona ambony samy manana ny maha izy azy ho avy tsy ho ela ity. Andro hankalazana ny fetin’ny mpifankatia rahateo ny 14 febroary.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana