Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kitoatoam-pitantanana Hitory any amin’ny Tribonaly Iraisam-pirenena ny “Monde, Justice”

31/01/2020

Nijoro ara-pomba ofisialy eto Madagasikara omaly ny Firaisamonim-pirenena”Monde, Justice”, raha toa ka efa hatry ny ela ny any Frantsa, Bruxelles, Amerika, Canada, La Réunion …

 

Mitarika izany ho an’ny eto Madagasikara ry Arlette Ramaroson, Ihanta Randriamandranto, James Ratsima, Régis Randriamamonjisoa. Mifandraika amin’ny tanjona 17-n’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) ny zava-kendrena ao anatiny. Tanjona iraisana amin’ny iraisam-pirenena ny fampitovian-jo sy fampitoviana tantana satria eto ambonin’ny tany dia ny 10% amin’ny olona no mifehy ny 83% amin’ny harena eto amin’izao tontolo izao.  Hiady ary tsy hitsitsy eo anatrehan’izany ny fisamborana tsy ara-dalàna (arrestation arbitraire), fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra,… Tsy tokony hatao fitaovana ihany koa ny fahefana izay avy amin’ny vahoaka (pouvoir régaliennes), hoy izy ireo. Manohitra ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny endriny rehetra na ambanin’ny tany io na ambonin’ny tany toy ny vatosoa sy ny zavaboary. Miady amin’ny endri-panandevozana amin’ny endriny rehetra. Miady amin’ny fangoronana ny tany eto amin’ny firenena, ny famarotan-tanindrazana na mivantana na an-kolala,… Tsy hanaiky ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny fanjakazakana, ny politika maloto toy fifidianana feno hosoka. Navoitran’izy ireo fa tena hitory any amin’ny Tribonaly Iraisam-pirenena izy ireo manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Manana mpahay lalàna nanana ny naha izy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo. Noresahina tao koa ny raharaha Ambohitrimanjaka, ny tany 60 000ha hampiasain’ny arabo. Tsy miady amin’izay eo amin’ny fitondrana fa mitolona manoloana ny zavatra tsy mety, hoy i Ihanta Randriamandranto.

Toky R sy J.Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana