Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Miroborobo ny varotra rongony Olona 2 indray no tratra teny Andavamamba sy Antohomadinika

30/01/2020

Olona roa no voasambotry ny Sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina ny talata 28 janoary teo teny amin’ny faritra Andavamamba sy Antohomadinika noho ny antony fitanana sy fivarotana rongony.

Vaovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy toerana fivarotana rongony maromaro eny Antohomadinika sy Andavamamba. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka ny talata io tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro dia lehilahy iray, 50 taona no voasambotra tao amin’ny IVO Antohomadinika, ary nandritra ny fisavàna ny trano fonenany dia nahitana rongony 28 fonosana tao aminy.

Nandritra ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa lehilahy mandalo isaky ny alatsinainy eny an-toerana no fividianany rongony, ary izy indray no mivarotra izany antsinjarany avy eo. Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka ity lehilahy ity satria dia efa nifonja izy ny taona 2017 noho ny antony fivarotana rongony hatrany. Tokony ho tamin’ny 4 ora sasany hariva kosa no voasambotra teo Andavamamba ny vehivavy 1, 36 taona, rehefa avy nanaovana vela-pandrika. Tamin’io fotoana nahasamborana azy io moa dia rongony 4 kitapo kely, milanja 02 kilao no tratra tao an-tranony. Niaiky ihany koa ity vehivavy ity fa mivarotra rongony amin’ny vidiny 500 ariary isaky ny fonosana eny amin’ny faritra Andavamamba. Natolotra ny fampanoavana omaly alarobia 29 janoary 2020 ny raharaha.

HN

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana