Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antsirabe Taolam-paty 3 kitapo hita tao anaty lakandrano

30/01/2020

Miparitaka indray tato ho ato ny taolam-paty ao Antsirabe ao. Ny harivan’ny talata teo, nahitana taolam-paty miisa 97 tao anaty lakandrano iray tao Vohitrarivo Antsirabe I.

 

 

 

Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva dia mpiandry omby handeha hamonjy fodiana no nahatsikaritra kitapo tao anatin’io tatatra io. Rehefa nojeren’izy ireo dia taolana no tao anatiny, ka niantso avy hatrany ny manodidina izy ireo. Nifamory avy hatrany ny fokonolona ary nijery ny zava-nisy sao sanatria fasana teny amin’ny manodidina io nisy namaky io, saingy tsy nisy moa izay. Taolan-dava avokoa, toy ny mahazatra ireo nisy nangalatra ireo, ary kitapo rofia 3 no nasiana azy. Ny iray no tena feno ilay kitapo, raha somary tapatapany kosa ireo roa ambiny. Nidina teny an-toerana io hariva io ihany ny polisy, ka nanaovan’ny kaomisera Andrianaja Patrick antso avo, izay olona mety ho nanana fasana vaky tany ho any na manodidin an’Antsirabe mba hanatona ny tompon’andraikitra sy ny biraon’ny polisy haingana alohan’ny handevenan’ny avy eo anivon’ny Bmh ireo taolana. Matetika indray ity vaky fasana ity tao Vakinankaratra ary tranga fanaon’ireo tsy mataho-tody indray ny mametraka ireny taolana ireny amin’ny toerana somary lavitry ny nangalarany ireo taolana ireo ka manano sarotra ny mikaroka izay fasana metyho nahaverezany.

Caius R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana