Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

TANTARAM-PIAINANA

30/01/2020

Odon Michel Andriamamonjisoa “Lany tany am-ponja ny fahatanorako”

 

 

 

 

 

Mitantara ny fahazoany fanalefahan-tsazy izay nositrahany tamin'ny fitondrana mijoro sy ny antony nametrahana azy eny amin'ny fitaizana zokiolona eny amin'ny Foyer de vie Andrainarivo i Odon Michel Andriamamonjisoa .

Nanondrana omby tany ivelany

  "Mpiantoka omby ny asako tamin'ny fanombohako ny fahatanorana. Niainga tamin'ny fividianana omby iray ary nivarotra izany tany amin'ny tsena hafa ka nangonina hatrany ny tombony ary nampiasaina. Tafakatra roa, telo, efatra hatrany ny omby voavidiko tamin'ny toerana be omby ary noroahina na nentina fiara tamin'ny toerana vitsy omby ka nety ny tsena. Niezaka nanaja ny asako aho izay namelomako ny vady aman-janako. Nety ny fitadiavana ka tonga mpanao dabokandro, mpitondra omby maro amin'ireo tsena teto afovoan-tany aho raha nandroaka omby avy any Bongolava sy ny faritra atsimon'ny Nosy. Taty aoriana, lasa patiraona omby tanteraka aho ka namatsy ny renivohitra. Niitatra ny tetikasa, nahita lalam-barotra ka nanondrana omby tany ivelany, tamin'ireo Nosy manodidina ato amin'ny ranomasimbe Indianina aho. Nanitatra tsena tany amin'ireo firenena afrikanina ary hatrany amin'ny kaontinanta hafa koa tamin'ny fanondranana omby.

Nahazo famotsoran-keloka

Ara-dalàna daholo ny taratasim-panondranana sy fivarotana ary fividianana omby tamin'izany. Nipoitra anefa ny olana, noho ny fifaninanana ara-barotra sy ny fialonana ka ireo mpifanandrina tamiko no nisy nitoroka ahy ary nanomboka teo aho no sahirana tanteraka. Niaka-nidina tribonaly ny raharaha, voapanga ho mpamotsy omby halatra aho. Voapanga ho mpividy omby tsy ara-dalàna koa ka nidoboka am-ponja am-polony taona maro be. Saika lany tany am-pigadrana ny fahatanorako. Taona vitsy sisa tsy efako ny sazy ary izao efa hananika ny faha-70 taonako izao aho no namangy tany am-ponja ny Filoha Andry Nirina Rajoelina ka anisan'ireo nahazo ny famotsoran-keloka aho. Rehefa nandeha ny zotra sy ny dinika rehetra teo amin'ny fonja sy ny filoham-pirenena ary ny mpitondra fivavahana dia tapaka ny hevitra fa ety amin'ny fitaizana beantitra ety amin'ny Foyer de vie Andrainarivo aho no najanona", hoy ity raim-pianakaviana iray izay teraka manodidina ny taona 1952.

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana