Dans la mme rubrique

Elakelan-trano

21/04/2020

Ny ankamaroan'ny elakelan-trano eto an-drenivohitra toa an' Anosibe,Anosizato,Anosipatrana,ilanivato dia feno olona milalao baolina, loto, feno mpivarotra. Ny tsikaritra koa dia maloto tanteraka ny tanana

Elakelan-trano

Hamaky ny tohiny...

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

14/04/2020

Nidoboka am-ponja any Amiens ilay tovolahy malagasy izay namono nahafaty ny sipany.

NOTSATOTSATOHANY ANTSY NY SIPANY

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

11/04/2020

Hentitra ny Minisitry ny atitany sady Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo amin’ny fampanajana ny fihibohana izay hita ho goragora.

Minisitry ny Atitany “Na ianao te ho velona, na ianao te ho faty”

Hamaky ny tohiny...

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

11/04/2020

“Nahafaly ahy ny nanatrika ny fizaran-tsakafo teo Ankazomanga sy Antohomadinika, niarahana tamin'ny CRA.

NAINA ANDRIANTSITOHAINA

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

10/04/2020

Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny mpanao politika sady mpanao gazety Gilbert Raharizatovo.

Gilbert Raharizatovo “Ny ady gasy no nahavonjy antsika”

Hamaky ny tohiny...

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

 

no mety ho tafiditra ao. Misy fisokafana ihany izany ny Filoha ankehitriny raha toa ka izay tokoa no tontosa. Na koa hoe tapidalan-kaleha ary tsy maintsy mampiditra ny « cerveau » avy amin’ny hafa. Ho fantatra tsy ho ela izany ary andrandrain’ny olona ny hametraka olona teknisiana kokoa fa tsy mpanao politika mpangalatra.

NITORY NY FIANAKAVIAN’IREO VOATIFITRY NY ZANDARY

Tafapetraka eo anivon’ny fampanoavana ao Toamasina ny fitorian’ny fianakavian’i Nomenjanahary Jeannot sy Gaston Cauchy. Izy ireo dia tanora mba nivoaboaka alina namonjy fety tao Ambolomadinika ary niady tamin’ny tanora hafa kinanjo maty notifirin’ny zandary. Vao vita ny fandevenana tany atsimo-atsinanana dia avy hatrany dia niverina namonjy an’i Toamasina ny fianakavian’ny maty ary nametraka ny fitoriana teny amn’ny fampanoavana. Tsy ho afa-maina ny zandary izay niasa tamin’io alina io raha ny fijery ny raharaha.

TEKNOLOJIA HANAMPY NY MPIZAHATANY

Tsy atahorana ho very intsony ireo mpizahatany manomboka izao ary efa manomboka mitodika any amin'ny fampiasana teknolojia ity sehatra ity. Noforonina ilay application izay antsoina hoe « The Real Madagascar » izay hanampy ireo mpizahatany hitady toerana, hanao famandrihana sy hijery izay tolotra ilainy. Manamora ny fiavian’izy ireo eto an-tanindrazana izany kanefa kosa amin’izao fotoanan’ny teknolojia izao dia tsy dia hoe zava-baovao be loatra intsony ny fisian’ny application. Kanefa dia natao fisehosehoana be omaly ny fampahafantarana azy.


 

 

 

TE HO MINISITRA

Mafy mihitsy izany hoe te-hahazo toerana ministra izany. Efa tafiakatra 400 amin'ireo famaliana tolotr’asa voaray eo amin'ny fiadidiana ny repoblika no mangataka ho ministra avokoa. Asa izay ho fanapahan-kevitra izay horaisin’ny Filoha fa dia ho henjankenjana ny fisafidianana izay ho minisitra ho avy eo. Hatreto dia samy mihetsika avokoa ny depiote, ny fikambanana politika isan-karazany ary koa ny olon-tsotra izay mba te-ho minisitra. Eo koa ireo minisitra efa teo aloha. Ady boaty tanteraka no misy ankehitriny. Efa fantatra anefa ny mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena izay tsy voatery ho ny Filoha.


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana