Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trosa 190.000 ar lasa 20 tapitrisa ar Hiakatra fitsarana amin’ny alatsinainy ny raharaha

29/01/2020

Araka ny fampitam-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, raha nananan’ny teratany Sinoa izay mpivarotra eo Behoririka vola 190.000 ariary ny raim-pianakaviana iray dia nakarin’ilay Sinoa

 

 

ho 20 tapitrisa ariary izany tany amin’ny fitoriana. Ny 3 febroary izao moa no hiakatra fitsarana ity raharaha ity, raha ny fampitam-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra hatrany manoloana ireo mpanao gazety. Efa nadoboka am-ponja vonjimaika ilay raim-pianakaviana ary izao miandry ny fitsarana azy any am-ponja izao. Araka ny tsiliantsofina heno dia toa raharaha hafa no nahavoarohirohy ity raim-pianakaviana ity kanefa izao nivadika trosa be izao.

Miandrandra ny fitsarana ara-drariny ny havan’ity raim-pianakaviana ity, mba tsy ho roboka anaty kolikoly avo lenta, hoy hatrany izy ireo. Voalazany moa fa atody miady amam-bato ihany izy ireo manoloana ny fanararaotana notanterahin’ny teratany vahiny. Raha ny fahefa-mividy eo amin’ireto ankohonana kely ireto dia milaza izy ireo fa raha ny famerenana ny lelavola 20.000.000 ariary no fepetra hisintonan’ny mpitory ny fitoriana dia tsy manana velively izany izy ireo. Nohamafisiny hatrany moa manoloana ireo mpanao gazety fa tsy naka izany vola izany izy ireo ka tsy manan-kamerenana. Andrasana moa ny fanehoan-kevitry sy ny valin-kafatra avy amin’ny andaniny mba hisian’ny fandanjana ny vaovao amin’ny gazety.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana