Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

POLISY MPANOLANA Tsy mitombina hatreto ilay vaovao nivoaka tamin’ny facebook

29/01/2020

Araka ny fampitam-baovaon’ny mpiandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena, tsy mitombina sady tsy azo raisina hatreto ilay vaovao niely fa polisy no mpanolana ilay vehivavy teo Ambondrona.

 

 

Niely teny anivon’ny tambanjotran-tserasera facebook sy ny gazety mpiseho isan’andro iray, mahakasika io fanolanana io ny alin’ny zoma faha 24 janoary teo ka nahavoatonontonona ny polisy ho anisan’ireo nahavanon-doza. Nanome fanazavana ny teo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ny alatsinainy teo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy na dia tsy nisy ary ny fitoriana azon’ny mpitandro ny filaminana.

Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa nisy 3 lahy nitondra moto no naka io vehivavy voalaza etsy ambony io teny Ambodrona ny zoma teo, tamin’ny 10 ora alina. Nilaza ity vehivavy vao 16 taona monja ity fa naolan’ ny 2 tamin’ireo 3 lahy izy taorian’ny fakan’ireto farany azy, tsy nisy endrika namantarany ireto olona ireto ankoatra ny pataloha miloko maitso sy akanjo ba mainty misy satroka izay nanaovan’ny iray tamin’ireo mpanolana. Tsy nisy hatreto ny porofo milaza fa polisy no nanao ilay asa ratsy.

Marihina ihany koa fa ilay olona nanaparitaka ilay vaovao tamin’ny « fb » dia mbola nitantara ihany koa fa tsy nahita mivantana ilay tranga. Tsy voamarina noho izany ilay vaovao naparitaka milaza fa Polisy tokoa no nanao ilay asa ratsy saingy efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro filaminana hikarohana ireo nahavanon-doza ary hamantarana tokoa raha misy mpitandro ny filaminanana voasaringotra ato anatin’ity raharaha ity. Mitohy ny fanadihadiana ary ho tanterina eto ihany ny vokatra azon’ny Polisy rehefa azo ireo olon-dratsy.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana