Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fampiroboroboana ny sehatra fizahantany Hampiasaina ny application “the real Madagascar “

29/01/2020

« Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny paik’ady hampitomboana ny tahan’ny mpizahatany hitsidika an’i Madagasikara isika izao », hoy ny nambaran’ny minisitry ny fizahantany, Joel Randriamandrato.

 

 

Nisy ny fampahafantarana ny fampiasana teknolojia vaovao « the real Madagascar » omaly tetsy Anosy.  Tao anatin’ny dimy hatramin’ny enim-bolana no namolavolana io rindran-kajy fampiasa amin’ny finday (application) io, izay hampiroboroboana sy hanatsarana ny sehatra fizahantany. Ireo rehetra mety ilain’ny mpizahatany amin’ny fandalovana eto Madagasikara dia ho hita amin’ity application ity avokoa toy ny banky, ny hotely rehetra, ny biraon’ny zandarimaria , ny mpivarotra, ny dokotera akaiky indrindra. Nanambara ihany koa ny tompon’andraikitra namolavola ny rindrankajy fa efa maherin’ny 80% ireo mpizahatany manomana ny fialan-tsasany amin’ny alalan’ny fampiasana internet amin’izao fotoana izao. Rariny, hoy izy raha miditra amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta sy vaovao amin’izay i Madagasikara. Ho an’ny ao amin’ny Nosy Maorisy sy La Réunion fotsiny izao dia efa zary fomba fanao ny fampiasan’ireo mpitsidika sy mpizahatany any an-toerana ny rindrankajy mampahafantatra ireo toerana mampiavaka sy ny vakoka tokony hotsidihina ary ireo hafa mampalaza ny firenena. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola manahirana ho an’ireo vahiny ny mikaroka ny mombamomba ny Nosy ka izany no antony tsy maintsy nirosoana tamin’ny fampiasana ity rindrankajy amin’ny finday ity. Amin’izao fotoana izao dia efa amin’ny alalan’ny internet avokoa ny 50% ny famandrian-toerana ataon’ny mpizahatany amin’ny firenena iray ka ilaina ny fananana application avo lenta sahala amin’itony. Mbola maro ireo ezaka miandry, hoy hatrany ny teo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany ahafahana mampiroborobo azy io eto Madagasikara mba hahatrarana ny tanjona hampiditra mpitsidika 500 000 hatramin’ny taona 2023.

 

Tsirinasolo

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana