Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ampefiloha Ambodirano Saika matin’ny olona ilay mpanendaka

28/01/2020

Lehilahy iray, 25 taona, monina eny Ampefiloha ambodirano, no nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7, 67ha ny zoma 24 janoary 2020 teny amin’ny faritra manodidina ny ABC School

 

 

 

67ha noho ny fanendahana finday nataony ny alakamisy 23 janoary 2020 teny 67ha cité. Tamin’io, tokony ho tamin’ny 03 ora sasany tolakandro no narahin’ity lehilahy ity avy ao aoriana ny vehivavy iray 47 taona. Nony varimbariana ity farany dia nosintoniny ny finday teny an-tanany ary lasa nandositra izy.

Niezaka nanenjika ity mpanao sinto-mahery moa ny mponina izay nahita ny zava-nitranga saingy tsy tratra ilay olon-dratsy. Tamin’ireo mpanenjika anefa dia nisy nahafantatra ilay olon-dratsy sy ny toerana fonenany eny Ambodirano Ampefiloha. Ny zoma 24 janoary tokony ho tamin’ny 09 ora maraina dia tonga teny amin’ny trano fonenany ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny tompon’ilay finday ary rehefa nisy ny fifampiresahana dia niaiky ilay lehilahy fa hamerina ilay finday saingy nanome fotoana kosa izy hanaterany ilay finday satria efa tsy teny aminy intsony fa efa nokasainy hamidy. Tonga nanatitra ilay finday teny amin’ny ABC School 67 ha tokoa ary ity lehilahy ity tokony ho tamin’ny 01 ora sasany tolakandro.

Manoloana ny hatezeran’ny olona tamin’ity olon-dratsy ity sy ny saika nisian’ny fitsaram-bahoaka anefa dia niantso polisy ny vaomieran’ny fandriampahalemana ary tonga faingana ny polisy naka ilay lehilahy io. Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa nanao ilay fanendahana, ary nilaza fa noho ny fitambesatry ny trosa tokony haloany tamin’io andro io no antony nanaovany izany. Nilaza ny tsy hitory azy moa ilay vehivavy voaendany io. Efa tafaverina taminy ihany koa ilay findainy.

HN

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana