Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanendahana teny 67 Ha Tratra niaraka tamin'ny mpitondra fivavahana ireo jiolahy

28/01/2020

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra Jesosy Mamonjy 67ha ny talata 21 janoary 2020 teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva noho ny antony fanendahana.

Tamin’io talata io tokony ho tamin’ny 11 atoandro dia nisy vehivavy tonga nametraka fitarainana teo anivon’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 noho ny fanendahana izay nahazo azy raha nandalo teny amin’ny JIRAMA andavamamba izy ka nikasa ny hody eny Antohomadinika. Raha ny filazany dia lehilahy maromaro no nanakana azy tamin’io fotoana io ka ny sasany nisintona ny poketrany ary raha niezaka nanohitra iny izy dia nodarohan’ireo olon-dratsy. Rehefa azon’izy ireo ilay poketra dia lasa nandositra niditra elakela-trano ka tsy tratran’ireo manodidina izay nanenjika azy ireo rehefa naheno ny antso vonjin’ilay voaendaka.

Lasan’izy ireo tamin’izany ny finday 1, elo  iray, vola 10.000 ariary. Noho ny ratra nahazo azy dia voatery namonjy toeram-pitsaboana ity vehivavy ity. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka tokony ho tamin’ny 5 ora hariva no hitan’ny polisy niaraka tamin’ny mpitory teny amin’ny faritra manodidina ny Jesosy mamonjy 67ha ny 2 tamin’ireo mpanendaka. Nosamborina avy hatrany hanaovana fanadihadiana. Nandà tanteraka ny fiampangana azy ireto 02 lahy voasambotra ireto. Nanizingizina ilay vehivavy mpitory fa anisan’ny nanendaka azy izy 02 lahy ireo ary ny 1 tamin’izy ireo aza no nidaroka azy ka nahatonga ny faharatrany. Natolotra ny fitsarana izy ireo ary nidoboka am-ponja vonjimaika ny iray raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny 1 hafa.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana