Dans la mme rubrique

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

26/03/2020

Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

26/03/2020

Saika ny krizy entin’ny aretina coronavirus avokoa ny firenena manerana ziao tontolo izao eny fan a ireo tsy ahitana ny valan’aretina aza nohon’ny fijanonan’ny fifanakalozana ara-barotra.

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

Hamaky ny tohiny...

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

25/03/2020

Nanao fanambarana ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa mitohy hatrany ny asa aman’andraikiny na dia eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Afaka mbola mamatsy vola hatrany izy ireo ho fampandrosoana ara-toekarena ary nanamafy ny tsy maintsy hiara-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny banky.

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

25/03/2020

Manomboka miha ritra ny fahana finday (crédit) eny anivon` ireo tsena mpaninjara vokatry ny fisian` ny aretina COVID-19 eto amintsika. Maro mpanjifa no nanao tahiry fahana nandritra ny andro maro, hoy ny fanazavana nataon` I Jacky, mpivarotra “épicerie” etsy Ampitatafika.

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

Hamaky ny tohiny...

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

24/03/2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

24/03/2020

Toa hita tsy taitra ihany ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny aretina malaza sy mandringana eran-tany coronavirus. Vao maraina dia maro be no nirodorodo mbola nivoaka hitady vola na dia tsy nisy aza ireo taxibe nifamezivezena.

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Famatsian-tsolika Ampy ny filàna, tsy tokony hikoropaka

23/03/2020

Nanamafy ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo fa milamina sy mirindra tsy misy ahiana ny famatsiana solika ny nosin-tsika nanomboka ny faran’ny taona 2019. Misy drafitra maty paika narahan’ny mpiantsehatra rehetra ka mizotra tsara ny fanafarana, ampy ny fitaovam-pitaterana toy ny sambo,

Famatsian-tsolika Ampy ny filàna, tsy tokony hikoropaka

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra Mpanjifa mampidi-bola be an’i Maorisy i Madagasikara

28/01/2020

Mihamafy hatrany ny fifandraisan’i Maorisy sy i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

 

Misy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ny sehatra fifanakalozana ara-barotra sy ny fizahantany izay mampalaza an’i Maorisy. Na dia nandamoka ary ny  fametrahana ny faritra ara-toekarena manokana (ZES) tamin’ny fotoan’androny dia anisan’ny mbola tafiditra anatin’ireo firenena 5 mampidi-bola be an’i Maorisy i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara-barotra, indrindra ny fanondranana. Nahatratra hatramin’ny 348 tapitrisa Rs na 33 944 738 805 Ariary (1Rs=98,39 Ar) ny fanafaran’entana nataon’ny firenena Malagasy avy any Maorisy ny taona 2019 lasa teo. Isika no faha-5 amin’ireo firenena tena manafatra entana any aorian’i Grande Bretagne, Afrika Atsimo, Frantsa ary Etazonia. Na izany aza dia nitotongana hatrany ny sehatra fanondranana tany Maorisy satria lasa nitombo be ny fanafarana nataony, indrindra tamin’iny taona lasa iny. Ny volana novambra 2019 fotsiny dia efa tafidina hatrany amin’ny 99 miliara Ariary izany izay manome fatiantoka hatrany amin’ny 13,4% raha oharina ny taona 2018. Ny alakamisy 23 janoary lasa teo aza dia nilaza ny teo anivon’ny Statistics Mauritius fa nihena hatrany amin’ny 1,18 miliara Rs na 116 miliara Ariary  teo ny vola niditra. Miezaka manentsina hatrany ny fatiantoka isam-bolana ny firenena maorisianina saingy tsy tafavoaka hatreto satria ambony be ny fanafarana solika, ny sakafo ary ireo fitaovana maro samihafa  ataony, indrindra ny avy any Sina. Tsy misy afa-tsy ny fitodihana amin’ny fampiroboroboana sy ny fampiakarana  ny fanondranana entana atao ihany no tena vahaolana noraisina ankoatra ny fihazonana mafy ireo mpizahatany.  Firenena anisan’ny ahazoany tombontsoa be hatreto i Madagasikara ary inoana fa tsy maintsy ezahiny tazomina hatramin’ny farany. Tokony hahay handray fanapahan-kevitra ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena mba hiezaka ihany koa amin’ny fanondranana ny vita Malagasy mankany satria mbola fatiantoka foana ny lanja ara-barotsika.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana