Dans la mme rubrique

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

26/03/2020

Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.

Fihariana anaty valan’aretina Misy ny maty antoka, ao koa ireo mahazo tombony

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

26/03/2020

Saika ny krizy entin’ny aretina coronavirus avokoa ny firenena manerana ziao tontolo izao eny fan a ireo tsy ahitana ny valan’aretina aza nohon’ny fijanonan’ny fifanakalozana ara-barotra.

Coronavirus Mafy ny krizy ara-toekarena aterany

Hamaky ny tohiny...

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

25/03/2020

Nanao fanambarana ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) fa mitohy hatrany ny asa aman’andraikiny na dia eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Afaka mbola mamatsy vola hatrany izy ireo ho fampandrosoana ara-toekarena ary nanamafy ny tsy maintsy hiara-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny banky.

Banky Foiben’i Madagasikara Mitohy ny asa aman’andraikitra

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

25/03/2020

Manomboka miha ritra ny fahana finday (crédit) eny anivon` ireo tsena mpaninjara vokatry ny fisian` ny aretina COVID-19 eto amintsika. Maro mpanjifa no nanao tahiry fahana nandritra ny andro maro, hoy ny fanazavana nataon` I Jacky, mpivarotra “épicerie” etsy Ampitatafika.

Fifandraisana sy fifanakalozana Ifandrombahana ny “Crédit” , mahazo tombony ny “Money Banking”

Hamaky ny tohiny...

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

24/03/2020

Mitohy ny krizy eo anivon'ny orinasam-panjaka Kraoma. Nikorontana noho ny fasintahan'ny mpiara-miombon'antoka Rosiana ilay planina fanerenana saika ho hatao izay nahatonga an'ireo mpiasa hitaky ny

Brieville Mitaky ny karamany ireo mpiasan'ny Kraoma

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

24/03/2020

Toa hita tsy taitra ihany ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny aretina malaza sy mandringana eran-tany coronavirus. Vao maraina dia maro be no nirodorodo mbola nivoaka hitady vola na dia tsy nisy aza ireo taxibe nifamezivezena.

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Famatsian-tsolika Ampy ny filàna, tsy tokony hikoropaka

23/03/2020

Nanamafy ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo fa milamina sy mirindra tsy misy ahiana ny famatsiana solika ny nosin-tsika nanomboka ny faran’ny taona 2019. Misy drafitra maty paika narahan’ny mpiantsehatra rehetra ka mizotra tsara ny fanafarana, ampy ny fitaovam-pitaterana toy ny sambo,

Famatsian-tsolika Ampy ny filàna, tsy tokony hikoropaka

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Fotodrafitrasa eto Madagasikara Ain’ny toekarena nefa marefo

28/01/2020

Mbola nofinofy hatreto ilay teny hoe fotodrafitrasa lovain-jafy raha mijery an’i Madagasikara.

Matikambo hatrany ny mpitondra hatreto hatramin’izay fa iray ihany no hita ho nanao zava-dehibe izany. Amin’izao aza dia ezahana aseho sy tantaraina hatrany ilay hoe fotodrafitrasa fampandrosoana lovain-jafy. Efa nisy mihitsy tamin’ny fotoan’androny ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny governemanta sy ny firenena mikambana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotodrafitrasa holovain-jafy no dradradradraina foana kanefa ny lalana amboarina amin’izao fotoana aza mbola petatoko no betsaka. Tefy maika sy zara fa vita satria simba sahady ny ankamaroan’ireny tratran’ny andro ratsy teo.   Efa fantatr’ireo tompon’andraikitra ireo fa tena ilaina ny lalana, indrindra ny amin’ireo tany lavitr’andriana nefa mamokatra. Aiza no tsy hitotongana hatrany  ny ariary ary tsy mety tafarina mihitsy satria mahantra famokarana sy fanondranana i Madagasikara. Mifamatotra amin’izany ny fihenan’ny vola vahiny noho ny fatiantoka ara-barotra noho ny entana hafarana betsaka loatra no ho ny aondrana. Noho ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa dia tsy handeha ny fandraharahana ary ampoizina indray ny tsy ahatrarana ny tanjona hampitomboina ny harinkarena faobe. Efa fantatry ny mpitondra izany rehetra izany saingy efa fahazarana koa moa ny fitadiana fanampiana avy any ivelany hibabena trosa.  Tsy maintsy hisy ny voin-kava-mahatratra na dia hita taratra aza ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola ny firenena. Tokony hiova amin’izay ny toetsaina sy ny fomba fanao, indrindra amin’izao fitondrana vaovao sy taona vaovao izao. Aleo mba ilay tena ho mety lovain-jafy mihitsy no apetraka amin’izay zavatra rehetra hatao sy hatsangana fa tsy fizahozahoana sy fampanofisana foana no hirahiraina.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana