Dans la męme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpitondra sy mpanohitra Mifampitandroka amina resaka dosie

28/01/2020

Mifampitandroka amin'ny resaka dosie ambara fa maloto ny mpanao politika. Havoakanay fa nitory an-dRavatomanga sy Rajoelina tamin'ny fanondranana boaderozy i Profesora Zafy Albert,

 

 

 

 

hoy i Tabera Randriamanantsoa ny sabotsy lasa teo nandritra ny fanambarany fa manana ny dosie. Dosie matevina mikasika trafikana harem-pirenena izy io, raha ny filazany. Any amin’ny Kongresin’ny mpanohitra izay nambara fa tsy ho ela no hamoahana io dosie goavana mombana trafikana harem-pirenena io. Nambarany koa ny hoe : “tsy tanin’ny dadanao ny tanindrazana ka homenao ny vahiny” eo anatrehan’ny tetikasa hanomezana tany hampiasain’ny Arabo.

CUA, Tiko

Tany amin’ny propagandy ihany koa dia efa nivoaka ny resaky ny olon'ny fitondrana fa hisy ny fanadihadiana atao ao amin'ny kaominina Antananarivo, raha ny ekipan’ny mpitondra no tonga eo. Ny hamelezana an'i Rina Randriamasinoro ary mety ho tonga any amin-dRtoa ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Ravalomanana no tanjona ao anatin’iop. Ao koa ny resaka hetran’ny orinasa Tiko novoizina foana tany aloha. Tsy manahy na kely akory aza ny tenako, hoy ny Tale ara-bola sady efa Sekretera jeneralin’ny Kaominina ihany koa teo aloha Rina Randriamasinoro. Efa nisy mpanolontsaina mpanohitra tao tamin’ny andronay niantso Bianco sy IGE (Inspection Générale de l’Etat) fa nilamina tsy nisy na inona na inona tao, ary asako izany manao “audit” izany teo aloha, ka fantatro izay nataoko, hoy izy.

KRAOMA

Ankoatra izay, ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy Atoa Henry Rabary-Njaka ihany koa io voatonona tampoka io amin’ny resaka kraoma io rehefa nihetsiketsika ny antoko HVM, nitanisa ireo ambarany fa fandikan-dalàna ataon’ny fanjakana ankehitriny. Somary nafampana ny raharaha taorian’ny fihaonana nataon-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina tany Parisy ny 10 desambra 2019. Niha nangotraka ny fifanolanan’ny antenimierandoholona tarihin-dRakotovao Rivo izay HVM no maro an’isa sy ny fanjakana Rajoelina, ka teraka ny krizin’andrim-panjakana eto.

Fitsarana

Efa mijoro sy miasa ny HCJ na ny rafim-pitsarana afaka mandinika sy mitsara ireo manampahefana eto amin’ny firenena, ary efa misy tokoa ny dosie an’olona nitantanana teo aloha dinihana ao, raha ny fantatra. Ireo tsy manampahefana kosa dia anjaran’ny fitsarana isan-tsokajiny no manao ny asany, raha kolikoly narahana fitoriana ohatra dia eo ny Bianco sy ny PAC; raha famotsiam-bola eo ny Samifin hanadihady, koa dia andrasana ny ho tohiny.

 

 

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana