Dans la mme rubrique

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

19/02/2020

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao. Fotoana mahabe ny valan’aretina isan-karazany ary anisan’izany ny « Pesta ».

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

Hamaky ny tohiny...

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

19/02/2020

Milamindamin-dratsy ny ao Ambilobe taorian’ny savorovoro noho fikasana fitsaram-bahoaka noho ny fahatrarana an’i “Body Mena”.

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

Hamaky ny tohiny...

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

19/02/2020

Taorian’ny dian’ny praiminisitra nampahery ireo traboina sy nijery ny fahavoazana,

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

19/02/2020

Rangahy iray no vaosambotry ny polisy ao Arivonimamo ny alatsinainy teo noho ny resaka fihetsika mamoafady (attentat à la pudeur)

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

19/02/2020

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny tanàna miisa 18 lany tao amin’ny distrikan’i Brickaville.

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

Hamaky ny tohiny...

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

18/02/2020

Zandary iray kilasy faharoa miasa ao Mandrosonoro no nitifitra nahafaty ny raibeny, avy eo namono tena tamin'ny basim-panjakàna,

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

Hamaky ny tohiny...

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

18/02/2020

Avotra soa aman-tsara ireo olona miisa 11 tao anatin’ilay vedety rendrika tany amin’ny lakandranon’i Pangalane tany Mahanoro ny marainan’ny alahady 16 febroary lasa teo.

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lehilahy maty tao amin’ny Borigady “Tsy tokony ho vitavita ho azy”

21/01/2020

Tovolahy iray 27 taona notazonina tao amin’ny biraon’ny zandary teny Andoharanofotsy no namoy ny ainy ny zoma lasa teo, izay heverin’ny olona fa herisetra no mety nahafaty azy.

 

 

 Zanak’olona somary sahirana izy io. Mahagaga anay fa ohatra ny vitavita ho azy tsy misy resaka mihitsy ilay izy, ary toa tratran’ny ramatahora ireo fianakaviana ka tsy afa-manoatra, hoy ny mpiray vodirindrina aminy. Nilazana fotsiny ny fianakaviana hoe: “alaivo ny fatin’ny havanareo fa tratry ny arrêt du Coeur”, ary kafe sy siramamy no nateriny fa na tamin’ny fiandrasam-paty aza tsy misy ny na inona na inona, hoy fitarainana. Marihina fa efa manambady aman-janaka io tovolahy io. Tena tsy rariny mihitsy ilay izy, ka izay no hanairana ny manampahefana, hoy ny antso avo eo anatrehan’ity toe-javatra ity. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny zandary kosa, dia voasambotra noho ny asa ratsy teny Ambohimanala izy io. Tafatsoaka ny namany roa fa izy kosa no tratra, izay mbola niaraka tamin’ny sabatra lava lela. Ny nahavariana ireto zandary dia tovolahy fanirakiraka ao amin’ny borigady izy ary namana mihitsy aza raha ny fanampim-panazavana.  Ny zoma hifoha ny sabotsy, araka ny filazan’ilay olona iray toerana taminy tao dia hoe nihetsika ny aretiny (mihinjitra ohatran’ireny voan’ny andro be ireny) ka navoaka haingana nentina tao amin’ny CSB II Andoharanofotsy, saingy tsy avotra ny ainy. Tsy mampino izany, fa olona salama tsara izy, hoy ny an-daniny. Samy manana ny ambarany izany ny zandary sy ireo akaiky ity tovolahy ity, ka tokony hisy fanadihadiana lalina hivoahan’ny tena marina satria nisy ain’olona nafoy tao anatin’ny raharaha.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana