Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanapoizinana ara-tsakafo Tsy hilefitra ny ray aman-drenin’ireo mpianatra miisa 22

21/01/2020

Rehefa vitan’ny mpitsabo teo Ambatomiraharavy ny fizaham-pasalamana sy ny fitiliana dia voalaza fa ny fihinanana sakafo

 

 

 

miaty fanapoizinana teo amin’ilay gargoty teo amin’ny faritry ny sekoly no nahatonga ny loza. Vokatry ny fanadihadian’ny mpitsabo hatrany no nahalalana fa samy nividy karazan-tsakafo teo amin’io tsena kelin-tsakafo io ireo mpianatra 22. Milaza ny tsy hilefitra ireo ray aman-dreny sasany manoloana ny fanapoizinana ara-tsakafo nahazo ireo mpianatry ny lisea eny an-toerana. Ny alakamisy teo tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro no nitranga ny loza, tao anatin’ny lisea Ambatomirahavavy, faritra Itasy.

 Notaomina naiditra hopitaly ireo zatovo ireo. Tao ny nandoa, nisy koa ny narary kibo, maro no nivalana ary samy nalemy avy hatrany avokoa izy rehetra ireo. Vao nisy nihoaka nandoa dia mailo tanteraka ireo manodidina sy ny mpanabe, fa tsy misy valaka tamin’ny nahazo ireo mpianatr’Andravoahangy mantsy no nahazo azy ireo. Tsy nisy moa ny aina nafoy fa avotra soamantsara daholo ireo mpianatra. Mpampianatra iray eo amin’ny sekoly no tompon’io gargôty io. Maro ny sakafo masaka tsy ara-dalàna eto amin’ny Nosy fa isaky ny misy tranga vao miseho mandray andraikitra ireo mpitsirika ara-pahasalamana.

HN

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana