Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

21/01/2020

Nahitsy ny tenin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly nanoloana ny mpanao gazety.

 

Tsy nisy tetibola ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra manerana ny Nosy nifanarahan’ny filoha sy ny minisitra nandritra ny filankevitry ny minisitra. Nilaza moa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika fa noho ny fisian’ny ambim-bola no nahatonga azy nangoraka ireo mpiasam-panjakana hafa. Midika izany fa tsy manana ny rariny ireo mpampianatra izay mitokona milaza fa niangarana raha samy mpiasam-panjakana.

Nilaza ny Filoha omaly fa nasaina nanatitra lisitra ireo minisitra rehetra ka ny roa ihany no nahatonga. Lasa naka fialantsasatra tany ivelany izy ka gaga raha nahare fa nikorontana tanteraka ny fizarana ilay solompenakoho. Notsindriany hatrany fa tsy vola zaraina no tamin’io fa kojakoja sy sakafo tahaka ny fanao isan-taona. Nanitsy mihitsy aza izy fa nisy endrika kolikoly satria nisy nanasonia tsy nisy maribola ireo nandray 9 000 ariary. Ela ihany vao voafehy ity seraseran’ny solompenakoho ity raha vao nitranga dia tokony efa nohazavaina ka izao nitatra hatramin’ny tsy fianaran’ny mpianatra izao.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana