Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

21/01/2020

Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay Ramatoa namono ny zanany roa ka saika hamono tena dia nosamborin’ny Polisy afak’omaly.

 

Nilaza izy fa tsy tiany hipetraka miaraka amin’ny rainy intsony ireto zaza ireto ary izay no nahatonga azy hamono azy. Vehivavy iray 30 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin BC5 omaly alatsinainy 20 janoary 2020 rehefa avy nitsabo tena tao amin’ny HJRA noho ny resaka vono olona. Nanomboka ny 12 janoary 2020 no tao amin’ny hotely iray teny amin'ny faritra 67ha iny ity vehivavy ity. Araka ny fantatra dia nisara-toerana efa ho 1 taona sy tapany izy sy ny vadiny ka nipetraka tany amin'ilay rangahy ny zanany roa mirahavavy, 7 sy 10 taona.

Ny zoma 17 janoary 2020 tolakandro no naka ireo zanany mirahavavy ireo tany amin'ny rain-janany any amin'ny faritra Anjanamasina, kaominina Anosiala distrikan'Ambohidratrimo ity ramatoa ity. Rehefa azony ireo zaza ireo dia nentiny tao amin'ilay hotely tetsy 67ha. Ny alina, alohan'ny hatory no nomeny nuvan « 1flacon » ny zanany 10 taona, rehefa avy eo dia nokendainy tamin'ny lamba kosa ilay zandriny 07 taona. Rehefa maty ireo zaza roa ireo dia nisotro toaka ary nampifangarony nuvan 1 « flacon » ihany koa izy mba hamonoany ny tenany. Ny maraina anefa dia nahatsapa izy fa tsy maty fa nalemilemy ny zavatra nosotroiny ka nila vonjy tamin’ireo tompona hotely hitondrana azy any amin'ny dokotera. Tsikaritry ny tompona hotely kosa fa efa tsy nisy aina intsony ireo zaza ka napandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izy ireo. Tonga teny an-toerana kosa ny Polisin'ny CSP7 sy BC5 nijery ny zava-nisy, ilay ramatoa kosa dia efa nisy nitondra teny amin'ny hopitaly HJRA ary nanaraka fitsaboana.

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana