Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny valanaretina, hafenina ny marina”

06/07/2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany sy naneho ny heviny indray momba ny zava-misy eto amin’ny firenena indrindra fa ny fitantanana ny ady amin’ny Covid 19 ny filoha teo aloha

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny valanaretina, hafenina ny marina”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote voan’ny Coronavirus

03/07/2020

Miaka-dapa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny valanaretina Covid-19 ary efa misy solombavambahoaka voa.

Antenimieram-pirenena Misy depiote voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

HCJ Feno ny fepetra hiasany…

03/07/2020

Ny Solombavambahoaka Tsabotokay Honoré, voafidy tao Vohipeno, no lany ho filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo (HCJ), omaly teny amin'ny CCI Ivato.

HCJ Feno ny fepetra hiasany…

Hamaky ny tohiny...

Famerenana ireo nosy manodidina Tsy afa-manapaka irery ny filoha Macron

03/07/2020

Sarotra ny fandidiana momba ny famerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara amin’ny Malagasy rehefa alalinina ny lalampanorenana frantsay sy ny toeran’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, ao anatin’ilay toe-draharaha.

Famerenana ireo nosy manodidina Tsy afa-manapaka irery ny filoha Macron

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Fidèle Razara Pierre Lasa mampifanolana ny samy olon’ny Filoha

03/07/2020

Tsy atao fialokalofana ny maha olom-boafidy ary tsy natao hanafenana ny hadalana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hitadiavana ny irika rehetra hamorehana ny fitondrana mahefa ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka,

Raharaha Fidèle Razara Pierre Lasa mampifanolana ny samy olon’ny Filoha

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

02/07/2020

Mihanaka ny tsimok’aretina covid-19. Efa tonga eny anivon’ny biraom-panjakana sy ministera eny amin’izao fotoana izao.

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

Hamaky ny tohiny...

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

02/07/2020

Misy zavatra diso tsy mifanaraka amin’ny tantara, ka aleo hitsiana dieny mbola velona aho, hoy ny Amiraly izay nanazava zavatra maro tamin’ny fandarahana nataony tamina fahitalavitra iray omaly alina. Isan’izany ny nilazany fa tsy nanana olana tamin’ny Kolonely Ratsimandrava, ary efa izy no noresahina voalohany handray ny fahefana saingy nolaviny.

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina « Ho avy eny Ambohitrimanjaka aho »

21/01/2020

Nazava ny tenin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha nandritra ny fihaonana tamin’ny

 

 

 

mpanao gazety fa tsy maintsy hitarina ny tanànan’Antananarivo satria efa hipoka. Olona 3 hetsy tany am-boalohany no namoronana ireo fotodrafitrasa, kanefa manodidina ny 3 tapitrisa izao ny olombelona mifamoivoy sy miaina eto. Niaiky kosa anefa ny filoham-pirenena fa nisy ny lesoka tamin’ny fanatanterahana ity tetikasa goavana iray ity. Ekena fa mety tsy ampy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon-tanimbary, hoy izy ary izay no nahatonga ny fanoherana. Nahitsy ny tenin’ny filoha Rajoelina fa ho avy eny Ambohitrimanjaka ny tenany ary hiresaka mivantana amin’ireo mponina voakasiky ny mety ho fandravana trano sy fanotofana tanimbary noho ny tetikasa Tanamasoandro. Tsy nisy aloha ny daty mazava fa ny tsapa dia efa nivonona amin’ny zava-drehetra ny filoha. Nanome fanampim-panazavana aza izy fa tsy hijanona eo Ambohitrimanjaka sy ireo kaominina manodidina azy io tetikasa Tanamasoandro fanitarana an’Antananarivo toa an’i Fenoarivo, Imerintsiatosika, Arivonimamo. Manolo-tena izany ny filoham-pirenena fa hiresaka amin’ireo mponina tompona tany na tanimbary tsy maintsy hototofana noho ny tetikasa Tanamasandro. Asa izay tokony ho efa notanterahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy moa fa raha ny tatitry ny filoham-pirenena omaly dia tsy nahavita ny asany io minisitera iray io. Maro tokoa ny teknisianina efa nalefa niresaka tamin’ireo olona tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbariny, natsangana ny birao manokana teny amin’ny « Village Voara » Andohatapenaka saingy tsy mazava tsara aloha ny tarehimarik’ireo nanaiky hivarotra ny taniny hatramin’izao. Ho hita eo izay mety ho tohiny.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana