Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanadinana polisim-pirenena Ampahafolon’ireo mpiadina no horaisina

20/01/2020

1 150 amin’ireo mpiadina 14 700 no raisina eo anivon’ny polisim-pirenena. Notanterahina ny sabotsy

 

 



18 janoary teo ny fanadinana hifaninana ho mpianatra eo amin’ny polisim-pirenena. Nahatratra 14 700 ireo mpifaninana tamin’izany avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Omaly alahady no nifarana ity

fanadinana ity izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. 1 000 no horaisina polisy, 100 inspektera, 30 ofisie, ary 20 kaomisera. Niezaka nampahafantatra izany tahaka ireo fampianarana ambaratonga ambony tamin’ireo hetsika na “salon des étudiants” hatrany ny tompon’andraikitry ny fifandraisana sy ny sekoly teo anivon’ny polisim-pirenena. Hita taratra izany tamin’ny hetsika teny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso sy tamin’ireo nokarakarain’ny  tsy miankina tahaka ireo tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Voalaza moa fa entina ifantenana ireo izay manam-paniriana tanteraka no nampalalana tamin’ireny hetsika fanazavana sy fizarana “prospectus” ireny. Niarahana tamin’ny Bianco ny fifaninanana. Voalaza hatrany fa ady goavana eo anivon’ity polisim-pirenena ity ny kolikoly. Heverina fa handio tanteraka ny jiolahy ao anatin’ny polisim-pirenena ihany koa ny fijerena akaiky ireo efa am-perinasa sy mpiadina, tahaka ny any ivelany izay ilana psikôlôgy mihitsy fa mety miova mantsy ny olona. Rehefa tsy misy kolikoly eo am-pandraisana mpianatra ho polisy dia hihena ny risoriso. Voalaza mantsy fa manenjika ny ekôlazy laniny tamin’ny fifaninanana ho mpitandro filaminana no nampahazo vahana ny kolikoly sy ny “otra” hatrizay.

 

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana