Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana “BAR” sy “RESTAURANT” teny Ivato Nanjavona ny 10 tapitrisa sy entana sarobidy maro

20/01/2020

Ao anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminan’Ivato mahakasika ny halatra nandratrana olona teny an-toerana.

 

 

 

 

Nitrangana fanafihana tokoa mantsy ny toeram-pisotroana sy toeram-pisakafoanana iray teny Ivato, sady fokontany no kaominina izay ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, tamin’ny alakamisy teo. Tamin’ny 10 ora alina sy fahefany no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana. Mody mpanjifa teo amin’ilay “Bar” sady “restaurant” ireo jiolahy telolahy izay nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra, vy boribory lava na “fer rond”. Very tamin’izany ny vola malagasy 10 tapitrisa ariary sy vola vahiny 500 dolara amerikanina sy 200

euro. Ankoatra ireo fahaverezana vola ireo dia voaroba ihany koa ny zava-tsarobidy tahaka ny solosaina 3 izay entin-tanana amin’ilay hika farany, ny finday avo lenta “android” telo ihany koa ary

kitapo roa izay nisy entana sy antotantaratasy sarobidy tahaka ny “visa” sy “passeport”. Noratrain’ireo jiolahy ny tompon-tsena izay teratany Sinoa mananika ny 62 taona sy ny mpanampy

mpandroso sakafo sy zava-pisotro roa izay samy teratany Malagasy ka 40 taona ny iray. Ny zandary any an-toerana no mandray an-tanana ny tohin’ny fanadihadiana. Manamaloka ny endrik’i

Madagasikara amin’ireo mpampiasa vola avy any ivelany ny toe-javatra mamohehitra toy izao, indrindra eny Ivato izay varavarana amin’ny fiaramanidina mampifandray amin’ny havana avy

any dilambato sy ny teratany vahiny.

 

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana