Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana teny Mandroseza Mamon’ny zava-pisotron’ny fety ny mpamily

20/01/2020

Noho ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola nandritra ny fetim-pianakaviana no nahatonga ny loza teny Mandroseza.

 

Mamo ny mpamily izay nitondra mafy ilay fiarakodia, ny faran’ny herinandro

teo ka nampivadika ilay fiara. Zaza amam-behivavy no maro an’isa niharan-doza. Voalaza aloha fa tsy nisy ny aina nafoy fa tsy vitsy koa anefa ireo naratra. Fotoanan’ny fifampiarahabana etsy sy eroa izao

ka tsy ilaozana fandraisana ilay mafana kely. Mampalahelo anefa raha ny fandiniky ny mpanara-baovao ireo zaza amam-behivavy izay tsy manam-pidiny fa voatery nandeha amin’ireo fiara na dia efa

nisotro toaka aza ny mpamily. Efa ampoizina ny loza fa tsy afa-manoatra ireo mpandeha. Azo heverina fa tsy mahataka-davitra ihany ka mendrika famaizana ireo mpamily mbola hitondra olona hody rehefa vita fety toy izao. Ireo mpandeha mihitsy koa tokony ho nampandre ny manampahefana fa noho ny fihavanana sy ny sitrany ahay ary ny fahantrana dia mandeha ihany na efa hampidi-doza aza. Loza efa ahiana hihatra ny toy izao ary tanteraka. Midika izany fa misy andraikitra maro ifampizarana ao, hatramin’ny mpampisotro, ny mpamily izay nanao sorona ireo nentiny. Tsy afaka hanome tsiny fotsiny koa ireo mpandeha fa manana andraikitra na nanda tsy handeha mihitsy tamin’izany, eo Mandroseza izay efa ahitana taksibe na taksi.

 

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana