Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

20/01/2020

Araka ny loharanom-baovao azo avy any Toamasina, tsy misy ahiana ny ain’ilay raim-pianakaviana izay tsy nahatsiaro tena tanteraka raha tratran’ny fahavakisan’ny lakana teny anivon-dranomasina.

 

 

 

Efa manezaka araka izay tratrany hatrany moa ireo mpitsabo. Miendrika fahagagana ihany ity tranga ity. Efa teny anivon’ny ranomasina no nidi-drano ny lakana nentin’ity rangahy mpanarato ity. Ny SPAT na ny mpamonjy voina avy ao amin’ny seranan-tsabon’i Toamasina no nandray an-tanana ny fanavotana azy io. Efa tsy nahatsiaro tena ilay mpanarato, ny fiara fitondrana mararin’ny

seranan-tsabon’ny renivohitra faritra Atsinanana no nitondrana azy nihazo ny hopitaliben’i Toamasina. Marihina moa fa na mahay rano aza ireo mpanarato, reraka ihany noho ny onjan-drano izay lavitra sady mahery vaika tokoa amin’izao vanim-potoanan’ny rotsak’orana sy ny rivodoza izao. Fa saingy noho ny asa fivelomana sy ny famelomana vady aman-janaka dia mandeha tsy satry ireo raim-pianakaviana mpanjono na mpanarato. Tsy mahagaga raha tehaka no handraisan’ireo vady aman-janany ny raim-pianakaviana mpanarato amin’ny tolakandro, rehefa migadona soamantsara eny an- tanety izy ireo miaraka amin’ny hazandrano izay azony. Tsy vitsy ireo asa mihatra aman’aina amin’ireo ray na renim-pianakaviana.

 

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana