Dans la męme rubrique

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

24/02/2020

Miverina indray ilay raharaha hala-tany izay mahavoarohirohy tompon’andraikitra ambony iray tamin`ny tetezamita.

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

Hamaky ny tohiny...

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

24/02/2020

Misy fiantraikany amin’ny toekarena eran-tany ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus any Sina.

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

24/02/2020

Nandriaka ny ra teny Malaza Andoharanofotsy. Vola hakana entana moa no nalainy.

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

Hamaky ny tohiny...

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

24/02/2020

Ahiana hitera-doza any amin’ny distrikan’i Vohémar ilay vary efa lany daty ana orinasa iray tany Antsanimalo nalevina tao anaty lavaka ary nodorana.

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

Hamaky ny tohiny...

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

24/02/2020

Nihotsaka, entana maro no simba Nihotsaka ny tafon-tranon’ny zaimaika, toerana fivarotana sakafo masaka etsy Analakely.

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

Hamaky ny tohiny...

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

24/02/2020

Maro amin’ireo vehivavy manana fahasembanana no mbola ailiky ny fiarahamonina hatreto, indrindra fa eo amin’ny resaka asa.

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

24/02/2020

Notoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Richard Ravalomanana mivady mari-pakasitrahana ireo zanaka zandary mendrika tamin’ireo fanadinana ara-panjakàna

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Tsy fahatomombanan’ny fambolen-kazo Sabotazy sa tena tsy fahaiza-miasa ?

20/01/2020

Tahaka izao ny zava-nisy tany amin'ny fambolen-kazo tany Ankazobe omaly alahady 19 janoary. Nitaraina avokoa ireo olona nandeha namboly hazo satria ratsy sy tsy mazava ny fikarakarana.

 

 

 

 

Lalana adiny telo no mihazo any Ankazobe. Rehefa tonga tany dia mbola mandeha dian-tongotra nandritra ny 2 ora. Mihoatra izany raha nitondra zaza. Rehefa tonga tany an-toerana dia reraka avokoa ireo olona satria tena lavitra be ilay toerana. Ny andehanana tongotra ihany koa misy lohasaha sy honahona. Rehefa hanomboka ny fambolen-kazo dia tsy nisy angady fa dia izay teo no nifandimbiasana. Ny isa tena voavoly tany, raha be  indrindra dia 45 000 ka hatramin' ny 50 000 zana-kazo, hoy ny loharanom-baovao iray. Ny isan'ny olona tonga tany dia 7000 isa teo. Samy nahitana solotena ny minisitera tsirairay avy. Ny sakafo nampanantenaina dia tsizarizary ary maro no tsy nahazo. Ny filoha Rajoelina moa nandeha Angidimby ka mety tsy hitany ny tena zava-niseho marina. Hatramin'ny 9 ora alina dia mbola an-dalana mody ireo mpiasa sasany. Nitaraina izy ireo ary tena nimenomenona hoe tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny mpikarakara dia ny Ministeran'ny tontolo iainana (MEDD) izany. Mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe iza no hikarakara izay vita satria ny nanomana ireo zana-kazo ireo aza faramparany teo dia ho olona nokaramaina daholo? Tsara ny mamboly hazo fa ilay mamitaka ny Filoha tsy mety hoy ny teknisianina satria dia mbola famahanan-dalitra indray no ilazana fa hoe nahavoly 1,2 tapitrisa zana-kazo satria dia tsy misy afa tsy 50000 isa izany raha be indrindra no voatsatoka teny Ankazobe . Taiza ny lesoka, iza no tompon’andraikitra, tsy ampy ve ny fanomanana sa nisy tsipy hoditr’akondro mihitsy tany ho any ?

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana