Dans la męme rubrique

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

24/02/2020

Miverina indray ilay raharaha hala-tany izay mahavoarohirohy tompon’andraikitra ambony iray tamin`ny tetezamita.

Fibodoana tanin`olona any Toliara Tompon’andraikitra tamin`ny FAT voarohirohy

Hamaky ny tohiny...

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

24/02/2020

Misy fiantraikany amin’ny toekarena eran-tany ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus any Sina.

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

24/02/2020

Nandriaka ny ra teny Malaza Andoharanofotsy. Vola hakana entana moa no nalainy.

Fanafihana mitam-piadiana Nandriaka ny ra, lasa ny vola 14 tapitrisa Ar

Hamaky ny tohiny...

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

24/02/2020

Ahiana hitera-doza any amin’ny distrikan’i Vohémar ilay vary efa lany daty ana orinasa iray tany Antsanimalo nalevina tao anaty lavaka ary nodorana.

Vary 106 taonina nodorana sy nalevina Nisy nangady sy nivarotra indray

Hamaky ny tohiny...

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

24/02/2020

Nihotsaka, entana maro no simba Nihotsaka ny tafon-tranon’ny zaimaika, toerana fivarotana sakafo masaka etsy Analakely.

ZAIMAIKA ANALAKELY Nihotsaka ny tafo

Hamaky ny tohiny...

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

24/02/2020

Maro amin’ireo vehivavy manana fahasembanana no mbola ailiky ny fiarahamonina hatreto, indrindra fa eo amin’ny resaka asa.

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

24/02/2020

Notoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Richard Ravalomanana mivady mari-pakasitrahana ireo zanaka zandary mendrika tamin’ireo fanadinana ara-panjakàna

Jeneraly Ravalomanana mivady Nanome mari-pankasitrahana ireo zanaka zandary mendrika

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Kaompania Air Madagascar Vahaolana maharitra no ilaina

20/01/2020

Ilaina ny fividianana fiaramanidina sy ny fanokafana sidina vaovao tahaka ny mankany Fianarantsoa tamin’ny fitokanana farany teo.

 

 

 

Tokony hitady vahaolana maharitra kosa anefa ny tompon’andraikitra ho an’ity kaompania nasionaly Air Madagascar ity. Voakasika manokana amin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny filankevi-pitantanana (PCA).

Tombony 8 tapitrisa dolara

Nanambara ireo teknisianina fa tena ilaina ny fanoloana na fividianana fiaramanidina satria hahazo tombony 8 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara raha ny fanazavana. Efa mahamenatra ny fahasimbana ara-teknika mpahazo lava tahaka ny nitranga tamin’ny Tsaradia izay niteraka resabe sy sary ratsy ho an’ny firenena noho ny fahatarana 15 andro be izao.  Fahatarana izay niteraka fatiantoka be ho an’ny kaompania satria tsy maintsy ampiantranoina sy omena sakafo hatrany ireo mpandeha tamin’ny fotoanan’ny olana. Tokony hialana faran’izay haingana aloha ny tranga sahala amin’izany amin’ny alalan’ny fikojakojana amin’ny fomba rehetra hanehoana ny maha matihanina.  Ilaina izany satria fantatra ihany koa fa tena mafy ireo kaompania hafa mpifanandrina tahaka an’i Torkia, Kenya, Aostralia. Mila mailo ihany koa amin’ny fividianana fiaramanadina satria misy amin’izy ireny no tsy mety eto Madagasikara mihitsy, indrindra ny mankany amin’ny faritany. Efa nanambara mihitsy aza moa ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana teo aloha fa misy tamin’ireo fiaramanidina eto Madagasikara vao haingana sy tsara ireo no tsy afaka mandeha Toamasina na Sambava akory. Misy ihany koa ny be masonkarena satria mandany solika be miampy ny hetra aloa ka na dia feno matetika aza ny toerana dia tsy misy tombony. Amin’izany rehetra izany dia mbola lavitra ny ezaka saingy tokony ho vahaolana maharitra kosa no apetraka indrindra ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mba ahafahan’ny Kaompania Air Madagascar hifaninana amin’ireo kaompania hafa ireo. Mampametra-panontaniana raha hiarina ihany ity kaompania ity satria hatreto dia izay olona efa mitantana tao ihany no mbola notendrena ho filohan'ny filan-kevi-pitantanana. Ny tale ara-bola no nomena ny fahefana vonjimaika fa tsy mbola notendrena ny tale jeneraly. Efa betsaka ihany izay olona napetraka teo izay saingy tsy mety tafavoaka mihitsy ny kaompaniam-pirenena. Asa indray amin’ity indray mitoraka ity !!!

 

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana