Dans la mme rubrique

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao “Aleo ny marina no lazaina !”

20/01/2020

Taorian’ny fanambarana nataonà andiana loholona notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritany Antananarivo,

 

 

Andriambololona Mananjara nitafa tamin’ny mpanao gazety  ny zoma lasa teo, manakiana sy manameloka ny filohan’ity andrim-panjakana ity ho mampifangaro ny fitantanana ny antoko sy ny Senat ary koa nilaza fa tsy nifampierana ny fametrahana fitoriana eny amin’ny HCC. Fotoana fohy taorian’io fanambarana io dia nanao setriny ny filohany, Rivo Rakotovao, raha nahare ny fanambarana nataon’ny Loholona vitsivitsy mahakasika ny fitoriana napetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Làlampanorenana. Nanao fanamarihana izy fa tamin’ny fotoam-pivoriana azon’ny besinimaro natrehana ny zoma 13 desambra 2019, sady famaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa dia noresahina tao fa tsy maintsy hanao “saisine” eny amin’ny HCC ny Antenimierandoholona mahakasika ireo didy hitsivolana tokony handalo fankatoavana (ratification) eny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Tsy nisy nitsipaka izany ny loholona rehetra izay tonga nanatrika ny fivoriana. Mialoha izay anefa, hoy hatrany ny fanazavana, nandritra ny asam-baomiera izay natrehan’ny solontenan’ny primatiora tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona dia nanontaniana ity farany ny mahakasika ny “ratification” an’ireo didy hitsivolana ireo ka nanambara fa “efa eo am-pandinihana azy ry zareo”. Nomarihany fa, na tsy nanatrika fivoriana ireo Loholona nanao fanambarana ireo, na tsy nihaino tsara. Aleo ny marina no lazaina, hoy izy. Ireo Loholona izay nanao fanambarana moa dia ahitana filoha lefitra saingy tsy tonga manatrika ny fivorian’ny birao maharitra. Ny Senat dia miasa mafy ho an’ny fametrahana ny tany tan-dalàna ka noho izany tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna, hoy hatrany izy.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana