Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

HALATRA OMBY ANOSIKELY MAEVATANANA Tratran’ny miaramila ny dahalo mpamono olona

17/01/2020

Mihorohoro amin’ny tsy fandriampahalemana indray ny vahoakan’i Maevatanana. Jiolahy raindahiny roa no saron’ny miaramila tamin’ity herinandro ity.

 

 Ao anatin’ny fanadihadiana ny zandary any an-toerana ka  mbola karohina ireo namany izay nampitondra faisana tamin’iny faritra Betsiboka sy Boeny iny.

Raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena dia ny “ Miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA PCIAT Maevatanàna no nahasarona ireo dahalo roa lahy izay tena malaza amin'ny fangalarana omby ary fandrahonana ary ny famonoana olona ho faty ao Andranolava Kaominina Anosikely. Ny zavatra tsapa dia hita fa mitondra aina vao sy filaminana ho an'ny mponina ny fanatonan'ny Tafika ny vahoaka toy izao”.

Ankoatra ny fampiasana ody gasy dia voalaza fa mampiasa basy mahery vaika hatrany ireo jiolahy mpandripaka ny tambanivoitra sy ny ombin’ireo tantsaha amin’iny faritra iny. Mihanaka koa ny fivarotana zava-mahadomelina ka tsy tompon’ny tenany ihany koa ireo dahalo izay mamono olona toy ny mamono akoho. Mihorohoro fatratra ny mponina hatramin’ny main-tany noho ny mankaty, indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana izay naharevo ny mpanao politika sy ny mpanara-baovao.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana