Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mpifankatia teny Ambohipo Efa nanindry mandry ilay tovovavy ny fahafatesany…

17/01/2020

Telo andro taorian’ny filazan’ilay tovovavy mahakasika ny fitehirizany ny sarin’ny olon-tiany aorian’ny fahafatesana no maty ilay tovovavy iray.

Mitantara ny zava-nisy ilay tovolahy. « Nandeha nitsangantsangana teny amina toeram-pandraisam-bahiny iray afaka an’i Fenoarivo, manamorona ny lalam-pirenena voalohany iny izahay tamin’ny sabotsy heriny. Nony avy nilomano tamin’ny «piscine» dia nisakafo sy nisotro ranom-boankazo ary nifampizara teny mamy narahina safosafo sy fakan-tsary teo. Nibitsika ahy mangina teo an-tsofiko izy nanontany  hoe : -“Raha sanatria maty aho dia ataonao inona ny sariko be dia be anaty findainao ?”. – Navaliako izy fa tehiriziko. Izaho kosa raha nanontany azy izany dia novaliany fa hofafany tanteraka », hoy i José. 

Ny alatsinainy taorian’io vao maraina anefa dia nahazo antso tamin’ny mpiray tampo tamin’ilay tovovavy i José fa narary tampoka ny fofombadiny. Olona torana hoentina fiarakaretsaka hihazo hopitaly no novantaniny. Nony tonga tamin’ny hopitaly, notsapain’ny dokotera dia nilaza ity farany fa “Efa tsy namantsika intsony izy fa mahaiza mionona”.  Mafy tamin’ilay tovolahy ny niatrika izany hatramin’ny fandevenana ary amin’ny fotoana hanoratana ny vaovao, milaza ihany izy fa na efa avy nandevina aza mbola sarotra ho azy ny mino fa maty ny ho saika vadiny.

HN

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana