Dans la mme rubrique

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

 

Kaominina an’Antananarivo Renivohitra ka voatery nofoanana (Faux et usage de faux),03 ireo taratasin-tany tsy ara-dàlana nofoanana natao tamin’ny anaran’ny Tananan’Antananarivo(irréguliers), 19 ireo antontan-taratasin-tany nofoanana izay nakan’ny olona ireo « domaine privé de l’Etat », 5 ireo antotan-taratasin-tany naverina amin’ny laoniny ny maha tanim-panjakana azy ireo. Ireo ny vokatry ny fitsirahana sy fanadiovana natao manodidina ireo tanim-panjakana nisy nanodikodina sy namadika tamin’ny anaran’olon-tsotra, mbola hitohy ny fanadihadiana sy ny fitsirihana ireo tany rehetra an’ny fanjakana.

ILES EPARSES

Tsy manaiky lembenana mihitsy ireo frantsay amin'ity resaka iles éparses  na nosy Malagasy ity. Tsy maintsy hisy indray ny fihaonana faharoa iarahana amin'ny komisiona mahaleotena ary efa nandefa soso-kevitra momba ny fotoana sy ny toerana sahady ny frantsay. Ny Malagasy indray no toa mitavozavoza hatreto ary toa nafana am-boalohany fotsiny.

FAKANA AN-KERINY

 

Olona efatra no naiditra am-ponja eny Antanimora omaly noho ny fakàna an-keriny an’i Navaze Veldjee. Vehivavy ny telo tamin’ireo ary mpamatsy ny puces izay ampiasain’ireo jiolahy no antony nitazomana azy. Ny iray kosa dia lehilahy izay mpahandro sakafo ny tena nankinina taminy tao anatin’ilay tambajotra. Misesisesy ny fitsarana etsy amin’ny PAC ary olona maro no efa naiditra am-ponja noho ny resaka kidnapping tato ho ato.

TETIKASA TANAMASOANDRO

 

Dingana iray ihany amin'ny tetikasa Tanamasoandro no efa vita momba ny voka-dratsy amin'ny tontolo iainana momba ity tetikasa ity. Efa am-bolana maro anefa no nidradradradrana azy fa izao vao mandeha ny fanadihadiana. Mbola misy fanampim-baovao tsy azon'ny mpanao fanadihadiana aza ka antony mampitarazoka izany, indrindra fa ilay resaka fanotofana tanimbarin'ny mponina. Etsy an-danin’izany, mbola sakana hatrany ny tsy faharesen-dahatry ny olona amin’ny famaliana ny fanadihadiana izay mifandraika amin’ny fanadihadiana.

GPS ANATY TAKSIBE

 

Efa manomboka hita ny voka-tsoa amin'ny fampiasana teknolojia eo amin'ireo Taksibe. Efa tafiakatra ho 70 izao no nametahana GPS ary lasa nanara-dalàna ho azy noho ny fanaraha-maso akaiky atao amin'izy ireo. Midika izany rehetra izany fa fitaovana tena mahomby ny teknolojia amin’ny fandrindràna ny fifamoivoizana eto amintsika ary amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara fitaterana izay tena miteraka olana isaky ny mandeha.

HERINARATRY NY JIRAMA

 

Miaka-midina tanteraka ny herin'ny herinaratry ny Jirama. Tonga hatramin'ny 370volts izany indraindray ary midina 100vots tampoka indray. Betsaka ny fitaovana simba saingy manahy ny olona fa tsy hahazo na inona na inona rehefa mitaraina no koa lava loatra ny lalana andehanana amin'izany.

ADIN’NY MMM SY NY IRK
Efa raikitra koa ny fifandirana eo amin'ny MMM sy ny IRK taorian'ny fifidianana kaominaly iny indrindra fa tao Faratsiho. Nitsimbadika ny voka-pifidiana rehefa tena nivoaka ny didin'ny fitsarana ka tsy maintsy averina ny fifidianana kanefa tsy manaiky ireo mponina.


 

 

 

 

 

FITSARAM-BAHOAKA

 

Olona efa ho diman-jato no nanatri-maso ny fitsaram-bahoaka izay nitranga tao Matanga-Vangaindrano. Famakiana trano fivarotana enta-madinika ka nahavery siramamy iray gony no naha voarohirohy azy. Samy nitora-bato teo ny olona saingy tsy nijanona tamin'izany anefa ny herisetra fa niafara tamin'ny fanatsatohana zava-maranitra azy ka nahafaty. Miverina tanteraka any amin'ny fahagolan-tany ny zava-misy ankehitriny.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana