Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famonoana zaza mianadahy tany Antsirabe Naiditra am-ponja vonjimaika ilay raim-pianakaviana

16/01/2020

Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha ka any am-ponja no miandry ny fitsarana azy ilay raim-pianakaviana.

 

Tsiahivina fa nosamborin'ny polisy ilay raim-pianakaviana izay namono ny zanany mianadahy tao Antsirabe. Rehefa natao ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ity dia tsy nahitana olana na hoe nisy korontana tao amin'ny tokantrano nisy an'ity lehilahy ity. Nolazainy fa maheno feo ny hiakiakan'ny zanany foana izy miantso vonjy fa mijaly ireo zanany. Nanapaka hevitra ary ilay lehilahy fa mba hanafahana izany fijalian-janany izany dia hovonoiny ireto farany.

Ny faha 9 janoary 2020 lasa teo raha nandeha nivoaka ny trano ilay renim-pianakaviana ka namela azy 3 mianaka irery tao an-trano, dia teo no namonoan'ilay raim-pianakaviana ilay zanany lahy vao efa-bolana monja ary nitarika ny fahafatesany. Taorian’izany dia nentiny nivoaka ny trano ihany koa ilay zanany vavy vao 18 volana ary novonoiny tany anaty ala tao amin’ny fokontany Amboronomby. Tsy hita moa ny vata mangatsiakan’ity zaza ity raha tsy ny zoma faha 10 janoary tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza kosa dia voasambotry ny Polisy ny sabotsy faha 11 janoary 2020. Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity ary efa saika namono tena ihany koa izy saingy izao tra-tehaky ny Polisy izao.

HN

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana