Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Afera maizina sy trafikan’olombelona Mandray 1,9 tapitrisa Ar ireo Malagasy hivaro-tena any Sri Lanka

16/01/2020

Sinoa roa sy teratany Malagasy vehivavy iray no voasambotry ny polisy ny zoma 10 janoary teo teny Behoririka sy Analakely tamin’ny fikasana hivarotena any Sri Lanka.

 

Manodidina ny 200 hatramin’ny 500 dolara  na 1.900.000 ariary ny vidin’ny fivarotan-tena hataony amin’ny fampanofana vatana indray mandeha monja. Atao anaty ireny « album photos » ireny moa ny sary izay hampisehoana ireo mpanjifa, araka ny fomba fiasa any Sri Lanka. Ny  9 janoary no nisy tovovavy iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato saika hiondrana ho any Sri lanka. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa saika hivaro-tena any amin’io firenena io izy ka tamin’ny faceboook no nahitany ilay asa.

Ramatoa iray 35 taona no mpitady vehivavy gasy hiasa ho any Sri Lanka miaraka amina Sinoa roa lahy. Avy any amin’ny faritany ity vehivavy saika hiondrana ity. Rehefa tafahaona tamin’ilay Ramatoa moa ilay tovovavy dia nentiny nankany amin’ireo Sinoa roa lahy mampitady vehivavy gasy hivaro-tena. Ireo Sinoa no nampiantrano ilay tovovavy ary handefa azy ho any Sri Lanka. Efa misy hotely hivantanany sy trano fiasana any Sri Lanka ho an’ilay vehivavy. Efa nataolotra ny fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary 2020 ilay Sinoa roa sy ilay ramatoa ka efa niditra am-ponja vonjimaika any Antanimora avokoa.

HN

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana