Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andravoahangy Mandialaza Nandoa ra, avy eo tapitra ny ainy

16/01/2020

Nandoa ra be ary minitra vitsy dia tapitra ny ain’ilay tovolahy tetsy Mandialaza Ankadifotsy, hoy ny fanazavana.

 

 

 

Voalaza fa efa narary izy ary nisy nivonto foana teo amin’ny tendany. Tsy voatsabo izany satria somary sahirana ara-pivelomana izy ireo. Nipetrapetraka niaraka tamin’ny mpiray tanàna taminy izy omaly atoandro teo akaikin’ny toeram-pivoahana iraisan’ny daholobe teo Andravoahangy no nitaraina tamin’ny namany fa marary ka ento any amin’ny hopitaly, hoy hatrany ny fanazavana. Somary nitambokona nanao “Croiser les bras”izy. Tsy dia taitra loatra anefa ireo namany satria nihevitra fa nananihany ity tovolahy ity. Tampoka teo anefa, dia nikohaka izy ary ra be sy lio no nivoaka, izay vao nikorapaka ny rehetra. Tsy tana anefa ny ainy, ary tsy nisy fialana nenina azo natao, fa fotoana fohy dia maty ity tovolahy ity.  Tetsy Andravoahangy Mandialaza eny amin’ny manodidina ny Rotsirotsy iny no nisehoan’ity tranga ity omaly. Nisy ny resaka niely fa nihinana hani-masaka avy aman'olona sendra nandalo teny an-dalambe no nahafaty azy. Tsy izay anefa no zavatra tena nisy, araka ny fanazavana etsy ambony.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana