Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Frantsa-Afrika Hanamafy ny fifamatorana misy hatramin`izay

16/01/2020

Hisy ny fihaonana an-tampony “Afrika-Frantsa 2020” izay hatao any Bordeaux ny 04 hatramin`ny 06 jona izao. Fihaonam-be faha-28,

 izay hampivondrona filoham-pirenena afrikanina 55, mpisehatra afrikanina sy frantsay mitondra tetikasa sy vahaolana hananganana tanàna sy faritany maharitra ary hamaly ny filan`ny fampiroboroboan`ireo an-tanàn-dehibe izay andrasana aty Afrika amin'ny taona maro ho avy. Ny tanàn-dehibe no miantoka ny fanamby goavana manoloana ireo sakantsakana sedrain`ireo firenena aty Afrika sy any frantsa. Amin`ny taona 2050, mety hitombo avo telo heny ny isan`ny mponina an-tanàn-dehibe aty Afrika ka mety hahatratra 1,2 miliara izany. Amin`izao fotoana izao anefa, ny antsasak`ireo fotodrafitrasa ho amin`ny taona 2030 handraisana izany fitombon`ny mponina izany aza dia mbola tsy mijoro sy mitsangana akory. Hatreto, tanàn-dehibe miisa 100 aty Afrika no ahitana mponina iray tapitrisa. 10 amin`ireo no ahitana mponina 5 tapitrisa. Ao Lagos no tena ahitàna mponina betsaka satria mahatratra 23 tapitrisa ny isan`izy ireo ao an-tanàn-dehibe. Tanjona ny fampivoarana ny tanàn-dehibe eto Afrika ka mba ho tafiditra ao anatin' izany ny fiarahamonina, ny famokarana, ny resaka tontolo iainana ary mba hahafahana mampiroborobo ireo mpisehatra amin'ny sehatra rehetra: toekarena, indostria, famatsiam-bola, kolontsaina ary fialamboly, fanabeazana, fahasalamana, fiarovana, fampivoaran`ny tanàna. Ny fanolorana ny lohahevitry ny "tanàna maharitra"  amin`ity fihaonambe ity dia manome tombony manokana amin'ny fizarana ireo fahombiazana azo ary hananganana  tanàna frantsay sy afrikanina, amin'ny foto-kevitra "gagnant-gagnant". Ny fanamby ho an'ny fihaonana an-tampon'ny Afrika-Frantsa 2020, noho izany,  dia ny famolavolana fiaraha-miasa ara-politika vaovao sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena vaovao, anisan'izany ny fizarana sy fifanakalozana ny fahalalana, fa koa fiaraha-miasa amin'ny sehatra toa ny fahasalamana, fampianarana. ny fandaminana ny tanàna ary ny kolontsaina. Ireo no nivoitra nandritra ny valandresaka niarahan`ny masoivoho frantsay monina sy miasa eto amintsika, Christophe Bouchard, omaly tetsy Ambatomena. Nohamafisiny moa fa hita taratra hatramin`izay ny finiavan`i Madagasikara sy ny fahavononana samihafa na ara-diplaomatika izany na ara-toekarena.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana