Dans la mme rubrique

Tale Jeneralin’ny Fitantanana ny hetra « Tsy nakatona tanteraka izany ny AAA»

15/09/2020

« Tsy misy ambadika politika ny fanakatonana ny AAA ary ny DGI tsy manao politika, fa rehefa tsy manata-dalàna dia haverina amin’ny fanarahan-dalà

Tale Jeneralin’ny Fitantanana ny hetra « Tsy nakatona tanteraka izany ny AAA»

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mitamberina ny tetezamita

15/09/2020

Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny firenena Malagasy vokatry ny krizy miseho ankehitriny.

Fitantanana ny firenena Mitamberina ny tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Andry Raobelina Miha mafy ny fanenjehana azy

14/09/2020

Taorian’ireo olon’ny HVM teo aloha toa an-dry Mbola Rajaonah sy Claudine Razaimamonjy dia tsikaritra ho miha mafy indray ankehitriny ny fanenjehana eny anivona haino aman-jery sy tambazotra samihafa ny mpandraharaha Malagasy,

Andry Raobelina Miha mafy ny fanenjehana azy

Hamaky ny tohiny...

Valifaty politika Lasa fitaovam-piadiana ny fitsarana…

14/09/2020

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanaovan’ny Filohan’ny Antenimierandolohona Atoa Rivo Rakotovao ampamoaka momba ilay taratasy nalefana manampahefana avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika manome baiko ny PAC (Pôles Anti-Corruption)

Valifaty politika Lasa fitaovam-piadiana ny fitsarana…

Hamaky ny tohiny...

Eric Rabeharisoa “Hampidi-doza ny fitondrana ny zava-misy”

14/09/2020

Tsy fantatra be eny ihany ny tena fizotran’ity Coronavirus eto Madagasikara ity, hoy ny mpanao politika, Eric Rabeharisoa. Sarotra be ho an’ny mpitondra fanjakana ny mamoaka stratejia satria tsy fantany ny tena fipetrak’ilay izy.

Eric Rabeharisoa “Hampidi-doza ny fitondrana ny zava-misy”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Leader Fanilo “Tokony 45 fara fahakeliny ny isan’ny loholona”

14/09/2020

Mbola antoko velona ny Leader Fanilo izay tarihin’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy, hoy i Eric Rabeharisoa sekretera jeneralin’ity antoko, ity.

Antoko Leader Fanilo “Tokony 45 fara fahakeliny ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...

Antoko PSD Nanolotra fanampiana ho an` ireo mpiasan` ny fahasalamana

14/09/2020

Ny faran` ny herinandro lasa teo dia tonga nanolotra aro-vava miisa 300 ary "Gel désinfectant" 10 tavoahangy ho an'ny Hopitaly Vaovao Mahafaly any Mandritsara ny antoko PSD.

Antoko PSD Nanolotra fanampiana ho an` ireo mpiasan` ny fahasalamana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Didim-pitsarana momba ny fifidianana Mbola maro no havoakan’ny filankevi-panjakana

16/01/2020

Ho an’ireo kaominina izay nodidian’ny fitsarana fa haverina ny fifidianana dia tsy miova ny fitantanana ao aminy aloha, hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana,

 

 

 

raha nanazava ny mety ho tohin’ny raharaha mahakasika ny fifidianana kaominaly farany teo. Ity herinandro ity rahateo, amin’ny ankapobeny, no saika hanatontosana ireo famindram-pahefana momba izany. Mametraka ny lalàna fa 120 andro aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana no tokony hatao ny famerenana fifidianana, hoy izy. Tranga miseho anefa dia misy ireo izay mampiakatra fitsarana fandravana na “pourvois en cassation” eo anivon’ny filankevi-panjakana. Rehefa misy io dia mbola hisy didim-pitsarana mikasika ireo kaominina rehetra ireo. Ohatra ny nambaran’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana fa haverina ny fifidianana fa rehefa tonga eo amin’ny filankevi-panjakana dia mety hoe ity kandida ity no lany. Mandray ny asany indray amin’izay fotoana izay ilay lazaina fa lany. Misy indray mety hoe nambaran’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana fa lany kanefa miteny ny filankevitra fa averina ny fifidianana ao amin’ilay toerana satria misy tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna dia averina indray ilay fifidianana. Misy karazany maromaro, hoy hatrany izy, ireo didy mety mbola havoakan’ny filankevi-panjakana. Tsaratsara kokoa ny miandry ireo didy mbola hivoaka ireo vao manatontosa famerenana fifidianana amin’ny ampahany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana