Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tsaho, fanalam-baraka, fampiadiana Namaly bontana i Rina Randriamasinoro

16/01/2020

Naely tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nampiroaroa saina nentina niresahana ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo natolotry ny TIM Rina Randriamasinoro.

 

 

Nambara tao anatin’io fa nisaotra ny fitondram-panjakana mijoro izy manoloana ilay tolotr'asa ho mpiasam-panjakana ambony izay hanaovan'ny fanjakana antso amin'izay rehetra vonona amin'ny fampandrosoana. Noforonina sy nolazaina fa notenenin’i Rina Randriamasinoro ny hoe: “Anisan'ny handefa ny candidature-ko aho satria ny fiainana mitohy ary izaho ihany no hamelona ny vady aman-janako, “opportunité” ho antsika vahoaka Malagasy, ka andao havela ny hambom-po fa handeha hifanolo-tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena". Nandiso tanteraka an’io ny tenany ary tamin’ny filazana fa “Tsapako tokoa ny fanirianareo ny hanaterako CV any, Misaotra amin’ny fahatsapana fa aty no misy ny atidoha (cerveau), kanefa, aza manely vaovao tsy marina etsy sy eroa satria izaho tsy nandefa CV tany, Sahia mijoro amin'ny fahamarinana raha tiana handroso ny firenena. Aiza ny “cybercriminalité” amin’izao ? Tsy vao izao ny karazana fanelezana zavatra tsy marina hanimbana na hamotehana olona. Vao tsy ela no nisy olona nanompa ny filoha tamin’ny tambajotran-tserasera ka nokarohin’ny fanjakana ary tratra tany Toliara. Rehefa ny mpitondra no voakitika dia mihatra ny tany tan-dalàna fa rehefa ny mpanohitra dia vao mainka aza homena vahana ny fanenjehana ?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana