Dans la męme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fandaminana an’Antananarivo Nohetsehina ny polisy, zandary ary miaramila

16/01/2020

Samy manao izay saim-pantany ny mpampiasa lalana ary tsy misy fandraisana andraikitra hatramin`izay. Tsy lazaina intsony ny afitsok`ireo mpitondra moto.

 

 

Manoloana izany, niara-nisalahy ny miaramila, polisy ary zandary nandamina ny fifamoivoizan`ny fiara sy ny olona omaly tetsy Anosikely nanoloana ny Antenimierandoholona hatrany amin`ny toby Ratsimandrava. An-jatony ireo mpitandro filaminana no nandrara ireo mpivarotra amoron-dalana hamelatra ny entany. Nanala ireo fiara miantsona eny amoron’arabe ihany koa izy ireo. Teo ihany koa ny fandaminana ny olona mifamezivezy teny an-toerana. Ireo izay minia miditra ao anaty arabe dia averin`izy ireo ao anaty lalana natokana ho an`ny mpandeha an-tongotra. Raha hiampita indray ny olona dia tsy maintsy ao anatin`ny “passage zebré”. Nalamina ihany koa ny taksibe sy ny olona miandry taksibe mba ho eny amin’ny trottoir no mijoro fa tsy anaty arabe. Maro no nankasitraka izao hetsika fanentanana ataon`ny mpitandro filaminana izao. Ankoatra izay, andrasana ihany koa ny fandaminana eo amin`ny fahadiovana. Mbola maro ny olona no mivalan-drano etsy sy eroa, manary fako sy tavoahangy eny an-dalambe. Ampahany ihany ireo. Etsy an-kilany, ireo mpivarotra koa dia ny entana lafony ihany no ao an-dohany sy imatimatesany fa ny ankoatr'izay tsy misy iasany loha ka izay no anton’ny nanetsehana mpitandro filaminana maro be hampianatra sy hanitsy ary hiambina ireo izay mbola mikasa handika lalàna.  Nilamina aloha ny fifamoivoizina omaly ary antenaina mba haharitra hatrany ny hetsika fa tsy afaka fotoana fohy dia hiverina indray ny gaboraraka.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana