Dans la mme rubrique

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

17/04/2020

Efa tsara aloha ilay nampahafantatra ny vola fanampiana azo mba hiatrehana ny covid 19.

Volabe azon'i Madagasikara Misy resaka maro tsy mbola mazava

Hamaky ny tohiny...

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fanamorana ny varotra sy fandraharahana Vola 39,2 tapitrisa Euro no azon’i Madagasikara

15/01/2020

Notanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny Banky Afrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Vondrona Eoropeanina ary ny Governemanta Malagasy.

 

 

 Famatsiam-bola mitentina 39,2 tapitrisa Euro na 160 520 864 000 Ar (1euro=4094,92 Ar) no nomena an’i Madagasikara mba ahafahana manatanteraka ilay tetikasa PACFC (Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce). Voakasika amin’izany ny any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ka tanjona ny tsy hampitokana-monina, indrindra ny hanamorana ny varotra sy ny fandraharahana. Fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotry ny firenena Malagasy ao amin’ny tsena iraisam-pirenena SADC sy COMESA ihany koa ny antom-pisian’ny tetikasa. Mitentina hatrany amin’ny 217 tapitrisa dolara na 799 430 170  000 Ar (1dolara=3684,01Ar) ny fanatanterahana ny PACFC mandritra ny 5 taona (2019-2024) ka ny 90 tapitrisa dolara na 331 560 900 000 Ar dia famatsiam-bola efa azo avy amin’ny BAD. Tafiditra amin’izany ihany koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN9 sy ny RN12A any Atsimo Atsinanana izay mampifandray an’i Vangaindrano, Masianaka ary Fort-Dauphin. Vinavinaina hatrany amin’ny 3 tapitrisa mahery ny mponina voakasik’ity tetikasa goavana ity ary sehatra maro no hilofosana. Anisan’izany ny fambolena, ny jono, ny fizahantany izay hanatsarana hatrany ny sehatra ara-barotra sy ny fandraharahana. Amin’ny fiafaran’ny tetikasa dia tombanana hatrany amin’ny 300 ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) any amin’ny faritra,  izay ahitana 5000 olona eo ho eo ho afaka hisedra ny tsena iraisam-pirenena ary ny 50% amin’izany dia ezahina ho vehivavy avokoa.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana