Dans la mme rubrique

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

26/05/2020

Nilatsaka omaly ny fampahafantarana na « affichage » fa ho atao lavanty ny 28 mey izao manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fananan’ilay mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana.

Rado Rafalimanana Ho atao lavanty ny fananany

Hamaky ny tohiny...

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

26/05/2020

Fahiny talohan’ny nidiran’ny mpanjanaka teto Madagasikara dia ny mpanjaka no mpitazona sy tompon’ny Hasina, hoy ny mpahaifiarahamonina, Paul Rabary. Hasina izay azony avy amin’ny Zanahary sy ny Razana.

Paul Rabary « Tandindomin-doza ny firenena »

Hamaky ny tohiny...

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

26/05/2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

25/05/2020

Manohana ny finiavan` ny Filoha Rajoelina amin` ny famerenana ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin` ny fitakina ny Nosy Eparses ny antoko Hery Vaovaon` i Madagasikara.

Antoko HVM “Tsy ampy ny ezaka atao momba ny sosialim-bahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

23/05/2020

Manota fady indray ny mpitondra, nosimbainy tanteraka ny toerana manan-kasina, mariky ny tantara etsy amin’ny rovan’i Manjakamiadana, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

Rodoben’ny mpanohitra “Ajanony io fanamboarana kianja ao Anatirova io"

Hamaky ny tohiny...

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

23/05/2020

Tafiditra ao anatin` ny lahadinikin` ny Antenimieram-pirenena amin` izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay ho solon’ny toerana banga ao amin’ny

CENI Fantatra amin`ny 11 jona ny solon'i Thierry Rakotonarivo

Hamaky ny tohiny...

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

22/05/2020

Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.

Fikitihana vakoka mampiady hevitra Nanamarin-tena ny fitondrana

Hamaky ny tohiny...


Politique

Governemanta Minisitra 8 no hotazonina…

15/01/2020

Ho feno herintaona katroka amin’ny 24 janoary izao ny nitsanganan’ny governemanta voalohany tato anatin’ny fanjakana Rajoelina.

 

 

 Nambaran’ny filoha tany amin’ny fitsanganan’ny governemanta fa misy ny “contrat-programme”, ka hotombanana isaky ny 6 volana ireo mpikamban’ny governemanta. Ny minisitry ny fampianarana ambony Rtoa Rejo Felicité Fienena ihany no hany minisitra nesorina nasolo an-dRtoa Blanche Nirina Richard tamin’ny 24 jolay 2019. Tsy maintsy niala tao anatin’ny governemanta ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina, rehefa nirotsaka ben’ny tanàna, ka ny praiminisitra no nisolo azy vonjimaika. Anisan’ny minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena io, saingy tsy nisy fanendrena hatramin’izao. Nesorina ny minisitry ny angovo Vonjy Andriamanga ny 29 oktobra rehefa nisy olana goavana ny famatsian-tsolika teto Madagasikara, ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Christian Ramarolahy no miantsoroka ny toerany. Tsy maintsy ho avy ny tombana ato ho ato, saingy heverina fa aorian’ny alahady 19 janoary faherintaona katroka nandraisan’ny filoha fahefana hisian’ny fambolen-kazo faobe no ho avy ny fanovana governemanta. Mbola hetsehina avokoa mantsy ny minisitera rehetra amin’io fambolen-kazo io. Raha ny fikaroham-baovao, dia mety 8 amin’ireo minisitra ankehitriny no hotazonina amin’ny toerany. Handrasana izay tena hiseho. Raha izay, mazava ary miaiky ny fanjakana fa ratsy ny vokatra ary “negatifs” na miiba ny tombana.  Ireo minisitera isehoana olana amin’izao fotoana dia mety handao ny toerany avokoa. Ny fanabeazam-pirenena, ohatra, dia efa notsongaina manokana tao anatin’ny fanambaran’ny governemanta tamin’ny mpitondra teniny dia ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa hanaovan’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) fitsirihana. Misy minisitra re siosio fa efa mitsiriritra mafy ity toeran’ny minisitry ny fanabezam-pirenena ity. Andrasana izay hiseho.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana