Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famerenana ny "police de la route" Hogiazana avokoa ireo fiara mibahan-dalana

14/01/2020

Hiara-hiasa amin'ny kaominina ny mpitandro filaminana manao PR ho fametrahana fanagiazana fiara na "taquet d'arret"

 

 

sy hiara-hiasa amin'ny Tafika Malagasy koa amin'ny fiara "etsy babeko razandry" hitaomana ireo fiara rehetra mitoetoe-poana amoron-dalana sy mibahana fifamoivoizana. Araka ny fanambaran'ny kaomisera CDP Danny Marius Rakotozanany, Tale Jeneralin'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka, nanomboka omaly 13 janoary ny famerenana ny asan'ny Police de la route na PR, teto Antananarivo Renivohitra. Ny taratasin-tsazy vita printy ofisialy  dia hivoaka afaka 2 na 3 volana araka ny fifanarahana tamin'ny trano pirinty nasionaly. Namoaka "contravention" vonjimaika tsy azo anaovana hosoka aloha  ny Ministera mpiahy ka 1 000 isan-kerinandro  no natota avy amin'ny polisim-pirenena. Fanamiana mianavaka koa no entin'ireo manatanteraka PR mety miova araka ny vanimpotoana. Haverina tsy ho ela koa ny laharam-pinday fitarainana 117  ka ny mpiandraikitra araka ny toerana iantsonana no handray  izany.  Efa nisy ny fiomanana amin'ny PR, notsongaina manokana ireo Polisy fa tsy ny mpitandro filaminana amin'ny polisim-pirenena rehetra no ho PR. Nanomboka niainga omaly koa ireo mpampiofana amin'ny faritany izay hanofana ireo ho mpampiofana  an'ireo any amin'ny faritra ary afaka tapabolana dia hiasa daholo ny PR any amin'ny faritra manerana ny Nosy Ny "barrage de sécurité, économique" dia miainga mivantana amin'ny manampahefana any ifotony. Hoy ny Tale Kabinetra, ny kaomisera CPP Albert Estel Ainanirina.Tsy hilefitra amin'ireo polisy manao kolikoly ny Ministera mpiahy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana