Dans la męme rubrique

Anosibe Miaramila mamo nanambana basy mpivarotra

27/01/2020

Andrasana izay fanampim-baovao sy fanampim-panazavana avy amin’ny mpitondra fanjakana fa raha ny angom-baovao natao omaly dia nanondrana indray ny miaramila mpiambina mpitondra fanjakana ambony eto amin’ny firenena.

Anosibe Miaramila mamo nanambana basy mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-piadiana teny Behoririka Tsy mitombina ilay vehivavy roa voalaza fa nanafika vola

27/01/2020

Tsy mbola nisy naharay fitarainana ireo manampahefana eny ifotony mikasika ilay vaovao tamin'ny tambajotran-tserasera voalaza fa fanafihana fitoeram-bola ana tranombarotra teny Behoririka.

Fanafihana mitam-piadiana teny Behoririka Tsy mitombina ilay vehivavy roa voalaza fa nanafika vola

Hamaky ny tohiny...

Halatra Finday Avy eny Anosy ireo mpanao sintomahery eny Ankazomanga

27/01/2020

Roa lahy tratran'ny polisin'ny csp6 nanendaka finday teny amin'ny faritra Ankazomanga ny zoma 24 janoary 2020 tokony ho tamin’ny 12ora sy 10 mn atoandro.

Halatra Finday Avy eny Anosy ireo mpanao sintomahery eny Ankazomanga

Hamaky ny tohiny...

Mahery vaika ny dahalo ao miandrivazo Miaramila roa voatifitra, maty ny iray

27/01/2020

Dahalo efa mpiady sy matianina amin'ny fitanana basy no nitifitra ireo miaramila roalahin'ny Tafika Malagasy ka maty tsy tra-drano ny iray, izay nitranga tany amin'ny faritra Mindrivazo, mialohan'ny faran'ny herinandro teo.

Mahery vaika ny dahalo ao miandrivazo Miaramila roa voatifitra, maty ny iray

Hamaky ny tohiny...

Fifampiarahaban'ny tafika Nahavoly zanakazo 1000 ny hery vonjy taitra

27/01/2020

"Raha ny isanay tonga eto Imerintsiatosika dia mahatratra 300 olona, ny ankizy tsy isaina amin'izany. Ka raha nahavita telo avy farafahakeliny dia efa 1 000 fototra eo ho eo no novolena",

Fifampiarahaban'ny tafika Nahavoly zanakazo 1000 ny hery vonjy taitra

Hamaky ny tohiny...

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

21/01/2020

Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay Ramatoa namono ny zanany roa ka saika hamono tena dia nosamborin’ny Polisy afak’omaly.

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

21/01/2020

Nahitsy ny tenin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly nanoloana ny mpanao gazety.

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Marary tao amin’ny hopitaly Namoy ny ainy vokatry ny delestazy

14/01/2020

Nisy fahatapahana nandritry ny ora naharitra ny herinaratry ny jirama tamin'ny faritra misy ny Hopitalibe sy ny tobin'ny zandary ary tafika tao Toamasina ny zoma 10 janoary lasa teo.

 

 

Nisy raim-pianakaviana iray narary nasiana "oxygène" anefa tao an-toerana tao amin’ny “sampana medecine 123”, saingy namoy ny ainy, vokatry ny fahatapahan’ny herinaratra, izy io raha ny vaovao voaray. Asa na vokatry ny fahatapahan-jiro tokoa na antony hafa no nahafaty ilay olona. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 03 ora folakandro no tapaka ny herinaratra tao Toamasina tamin’io andro io. Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony ho tapaka mihitsy ny jiro amin’ny faritra misy ny hopitaly, ary tokony hisy milina famokarana herinaratra fiandry eo anatrehan’ny mety ho fahatapahana eny amin’izy ireny. Tsy natao hanenjehana na hanomezan-tsiny na iza na iza. Tsy hisy hanao fanahy iniana na haniry izany fa tratry ny tsy azo hanoharana. Mety hiteraka fahatezerana anefa ny toe-javatra tahaka izao. Mila handraisana fepetra sy hitondrana vahaolana satria tsy misy mahavidy ain’olona, ary fahasalamana no tadiavina, kanefa zavatra hafa no miseho. Io mivoaka io ihany koa amin’izao ny resaka olana tsy fahampian’ny tahirin-dra ao amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha, izay ilana fanentanana lehibe mba hivahan’ny olana. Ny ra izay alaina dia soloina, saingy misy ny olana.

Toky R sy Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana