Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fanjakana Rajoelina Vao mainka tsy atokisan’ny mpamatsy vola

14/01/2020

Endrika tsy fangaraharan’ny fitantanana sy fisian’ny fanodinkodinam-bola no niseho tao anatin’ilay raharaha 65000Ar

 

tokony hotsinjaraina amin’ny mpiasam-panjakana satria ny governemanta izao no nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana vola tsy mifanaraka amin’ny voalaza. Misy minisitra mbola sahy milaza fa tokony ho an’ny mpiasan’ny minisitera ihany fa nisy ambiny dia nomena ny mpampianatra. Angaha ireo tsy mpiasam-panjakana ? Lojika raha misy ny fitokonana satria tsy rariny loatra ny fanambaniana. Endrika iray hitarafana ny fomba fitantanana ny firenena ireny. Hitarafana ny fanjakana sy ny mpitondra amin’ny fomba fitantanany ny volam-bahoaka. Mazava ary lojika raha tsy hanome sy tsy hamatsy vola be antsika ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsy misy zavatra mangarahara fa toa hanjakan’ny kolikoly sy ny aferafera ny fitantanana. Toa mitarazoka sy hampanginginina anefa iny raharaha iny na dia eo aza ny ambara fa fisiana fitsirihana na « audit » nambara fa hatao. Resahina ny ady amin’ny kolikoly, mandeha ny fanagadrana ireo mpitantana teo aloha, saingy ny ankehitriny tao mitady ho vitavita ho azy. Majifa amin’ny fitantanana tsy mazava ny volam-bahoaka. Hiakatra be anefa ny hetra amin’ity taona ity mba hahafahan’ny fanjakana mampitombo ny loharanom-bolany izay lojika satria tsy dia mahazo vola avy any ivelany. Vinavinaina ho 1 474 miliara ariary ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amintsika na ny PTF amin’ity 2020 ity, raha ny voasoratry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana